• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Barson Rakotomanga
Image
Vaovao

Fehezan-dalàna mifehy ny asa : Misy andininy mbola mila fanamboarana, hoy ny Randrana Sendikaly

08/12/2023 07:35 © Moov.Mg

Misy andininy sasantsasany amin’ny volavolan-dalàna fanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny asa no tokony amboarina, araka ny tsikaritry ny Randrana Sendikaly. Ato ho ato io volavolan-dalàna io no hatolotra hodinihina eny amin’ny Antenimiera roa tonta, raha tsy misy ny fiovana, ka dieny izao dia efa manaitra ny parlemantera ny Randrana Sendikaly, mba handinika tsara vao handany izany.

Adihevitra naharitra 3 taona

Raha tsiahivina dia efa 3 taona izao no nanaovana adihevitra momba ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara. Tsy nisy intsony mantsy ny fanavaozana izany taorian’ny taona 2004. Efa vita izany ankehitriny, saingy tsy mahafa-po, noho ireo andininy sasantsasany mamono ny mpiasa, araka ny hevitry ny sekretera jeneralin’ny Randrana Sendikaly, Barison Rakotomanga. Isan’izany ny andininy faha-28, araka ny fanazavany, izay miresaka momba ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anaty fotoana voafaritra (CDD). Voalaza ao, fa azo atao mandritra ny iray volana hatramin’ny 2 taona izany ary azo avaozina in-droa. Araka izany, raha avaozina in-droa ny CDD an’ny olona iray maharitra 2 taona, dia ho 6 taona izany no fitambarany. Hitaintaina hatrany ny amin’ny ho aviny ilay mpiasa mandritra izany. Raha ny tokony ho izy, araka ny hevitr’ity mpitarika ny Randrana sendikaly ity, dia tsy havaozina intsony ny CDD 2 taona.

Hanatitra soso-kevitra

Santionany amin’ireo andininy tokony hovaina ao anatin’ny volavolan-dalàna fanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny asa ihany io. Misy ny soso-kevitra haterin’ny Randrana Sendikaly eny amin’ireo Antenimiera, hanamora ny fandinihan’ireo parlemantera an’io volavolan-dalàna io, hoy i Barison Rakotomanga. Tsy maintsy handalo asam-baomiera mantsy aloha izy ity, eo anivon’ny Antenimierampirenena, ka mba ho fantatr’ireo solombavambahoaka ireo andininy mila fanamboarana. Miantso ireo parlemantera mba hamakafaka tsara ity mpitarika sendika ity, mialohan’ny handanian’izy ireo io lalàna io. Tsy misy hidiran’ny pôlitika, hoy izy, fa ny vahoaka malagasy no ho potika, nefa afaka 10 taona indray vao afaka manavao ny fehezan-dalàna mifehy ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires