• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar Airlines
Image
Vaovao

Fitaterana an’habakabaka : Mbola miato ny sidin’ny Madagascar Airlines mankany ivelany

07/12/2023 15:50 © Moov.Mg

Mbola miato hatrany ny sidina mankany ivelany ataon’ny kaompania Madagascar Airlines, raha ny fanazavana nentin’ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valérie, androany. Efa mipetraka kosa, araka ny fanamafisana nataony, ny paikady ho fanarenana azy.

Paikadim-panarenana

Mitentina any ho any amin’ny 9 miliara ariary isam-bolana ny fatiantoka tamin’ny sidina ivelany nataon’ny Madagascar Airlines teo aloha teo, araka ny fanazavana. Voatery nandray fanapahan-kevitra, araka izany i Thierry de Bailleul, tale jeneraly vaovaon’ity kaompaniam-pitaterana an’habakabaka ity, ka nanajanona ireo sidina mivoaka an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny paikadim-panarenana an’ity orinasa ity izany, izay mbola mandalo fotoan-tsarotra tanteraka amin’izao fotoana izao. Miaraka amin’izay dia tsy maintsy jerena ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany ny minisitra, izay nampahatsiahy fa ny Banky Iraisam-pirenena dia efa nanome fanampiana 20 tapitrisa dôlara, ahafahana manohana ny dingana voalohany amin’ny fanarenana ny Madagascar Airlines.

Hampitombo ny fiaramanidina

Ao anatin’ny dingana faharoa kosa, araka ny nambaran’ny minisitra Ramonjavelo Valérie, dia hisy ny fampitomboana ny fiaramanidina hampiasain’ny Madagascar Airlines amin’io taona ho avy io, mba hahafahana mamaly ny filàn’ny mpanjifa. Araka izany, tombanana hitombo avo roa na telo heny amin’izay ampiasaina amin’izao fotoana izao, ny isan’izany fiaramanidina izany. Momba ny Air Madagascar kosa dia nanome toky ny minisitry ny fitaterana fa tsy hisy akory ny fanafoanana azy. Mbola misy fitaovan’ny Air Madagascar, hoy izy, ampiasain’ny Madagascar Airlines. Etsy an-daniny, mbola manana petra-bola any amin’ny orinasa hafa ihany koa ny Air Madagascar, izay tsiahivina fa mbola ao anatin’ny ady ara-barotra (redressement judiciaire) amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires