• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Famatsiam-bola ho an’ny tontolo iainana : tsy tokony haverina, hoy ny adisisiky ny tanora malagasy any amin’ny COP28

07/12/2023 15:48 © Moov.Mg

Ankoatra ireo manam-pahefana isan-jokajiny eto amin’ny firenena dia manana solontena mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro, COP28, ihany koa ny tanora Malagasy. Miisa 24 izy ireo, mivondrona ao anatin’ny Vovonana AIKA, no any Dubaï amin’izao fotoana izao.

Tsy mandoto nefa mitrosa

Isan’ny tanjon’ireto tanora ireto, amin’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra sy fifandresen-dahatra mandritra ny COP28, ny hanao adisisika momba ny teti-bola hampiasaina ho an’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Raha ny zava-misy amin’izao fotona izao, hoy i Anja Radoharinirina, filohan’ny Vovonana AIKA, dia fampindramam-bola no omen’ireo firenena matanjaka ho an’ny firenena sahirana toa antsika, izany hoe : vola haverina. Sisikevitra ataon’ny tanora malagasy, ny mba tsy hamerenana izany famatsiam-bola izany, satria isika aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, hoy izy no tsy mandoto ny tontolo iainana indrindra, nefa isika indray no voatery mitrosa mba hamonjena ny planeta iombonana. Etsy an-daniny, angatahin’izy ireo ny mba hahafahan’ny fikambanana tanora misitraka ireny famatsiam-bola ireny. Ny tanora mantsy no tena isan’ny manao zavatra, hoy i Anja Radoharinirina, ary ny asa tanterahin’ny tanora dia maharitra sy lovain’ny taranaka.

Ny ankizy no tena mizaka

Ankoatra ny tanora dia misolo tena ny ankizy avy amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana sy ny tapany atsimon’i Afrika ilay tovovavikely malagasy, Lova Renée, izay mpitondra ny feon’ny ankizy miaraka amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Raha ny heviny dia indraindray, tsy mba henoina ny feon’ny ankizy, saingy tamin’ity indray mitoraka ity, hoy izy, dia afaka naneho hevitra tsara ihany izy. Nivahiny tamina fahitalavitra alemana iray aza izy omaly. Tsy tomponandraikitra amin’izao fahasimban’ny tontolo iainana izao moa ny ankizy, amin’ny ankapobeny, nefa dia tena isan’ireo mizaka ny fiantraikan’izany. Araka izany, ny ankizy no tena hisitraka ny tombontsoa, raha misy ny vahaolana mivoaka amin’izao COP28 izao, hoy i Lova Renée. Etsy an-daniny, mitohy hatrany ireo karazana adihevitra sy fifampiraharahana ary adisisika iombonana any DubaÏ. Ny Pavillon Madagascar manokana dia mandray ny fivorian’ireo minisitry ny tontolo iainana avy amin’ireo firenena mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony ity.

Lire la suite

Articles Similaires