• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cneonim
Image
Vaovao

Holafitry ny infirmiera : Hahazo birao mitantana, 16 taona aty aoriana

07/12/2023 15:43 © Moov.Mg

Ho fantatra amin’io herinandro ho avy io ny anaran’ireo handrafitra ny birao hitantana ny holafitry ny infirmiera, taorian’ny fifidianana notanterahina ny 30 novambra lasa teo. Hatreto aloha dia Andrianarison Jean Aimé Botosera, fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe : John Love, no mitarika vonjimaika eo amin’ny toeran’ny filohan’ny holafitra.

Misandoka asa

Efa manana izay paikady heveriny ho entina mamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny asana infirmiera i Andrianarison Jean Aimé Botosera, raha toa ka izy no tafapetraka eo amin’ny toeran’ny filohan’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara. Araka ny nambarany mantsy dia maro ireo olona tsy nianatra izany asana infirmiera izany akory, fa nianatranatra nanindrona teny, dia lasa mitsabo avy eo. Misy amin’ireo toeram-pitsaboana sasany mihitsy aza no manome fiofanana tsotsotra ireo mpiasa ao aminy, ka ireny avy eo no manatanteraka ny asana infirmiera. Raha ny tokony ho izy dia maharitra 3 taona ny fiofanana tokony arahin’ny olona iray, vao afaka manao io asa io, hoy ny fanazavan’i John love. Tokony ho mpikambana ao anatin’ny holafitra avokoa, hoy hatrany izy, izay vao afaka manao ny asan’ny infirmiera.

Handray fepetra henjana

Noho ireo tranga manaratsy endrika ny asan’ny mpitsabo mpanampy ireo, dia tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina, hoy ity kandida ho filohan’ny holafitra, izay mitarika vonjimaika ity. Mafimafy ny asa miandry ny biraon’ny holafitra vaovao, araka izany. Marihna moa fa eo an-dalam-pandaminana tanteraka ity holafitra ity ankehitriny. Efa 16 taona lasa mantsy no nisy fifidianana farany, talohan’ny tamin’ny volana novambra lasa teo, raha ny fanazavana azo. Nisy 52 ireo distrika nanatanterahana fifidianana, nandritra izany, ary niisa 18 no voasoratra hifidy. Mbola betsaka anefa no tsy tafiditra ao anatin’ny holafitra, hoy i Andrianarison Jean Aimé Botosera. Mbola marobe ihany koa ireo tokony horaisina ho mpiasam-panjakana, na eny anivon’ny toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny Fanjakana, toy ireny infirmiera efa miasa an-tsitrapo ireny.

Lire la suite

Articles Similaires