• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Parlemantera any amin’ny COP28 : mifampizara traikefa sy mikaroka fiaraha-miasa iraisam-pirenena

06/12/2023 16:02 © Moov.Mg

Anjaran’ireo parlemantera, androany 6 desambra, no niatrika fivoriambe ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny toetr’andro na ny COP 28, tanterahina any Dubaï, Emirà Arabo Mitambatra. Solombavambahoaka 8 mianadahy no solontena malagasy miatrika izany, ankoatra ireo loholona.

Fanamafisana ny lalàna

Manana ny hevitra tiany aroso, ho fanatsarana ny tontolo iainana eto amintsika, ireo Solombavambahoaka voaasa hiatrika ny COP28 amin’ity taona 2023 ity. Noho ny andraikitra sahanin’izy ireo avy rahateo no antony nifantenana azy ireo ho any Dubaï. Ny Solombavambahoaka RAKOTONDRAZAFY José Alain, voafidy tao amin'ny distrikan'Ambatondrazaka izao, no filohan’ny vaomieran’ny tontolo iainana eo anivon’ny Antenimierampirenena. Tokony hisy, hoy izy, ny lalàna mafimafy hapetraka hiadiana amin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Efa noresahina ny momba izany, araka ny fanazavany, nandritra ny fivorian’ireo Solombavambahoakan’ny firenena mivondrona ao amin’ny SADC notanterahina tany Botswana iray volana lasa izay. Ireo mandoro tanety, ohatra, dia tokony hosaziana amin’ny lalàna henjana kokoa, fa manjary lasa goragora izany, araka ny fanehoan-keviny.

Fiarovana ny ala

Ny Depiote Micheline Baofeno, voafidy tao amin’ny distrikan’i Nosy Varika kosa, dia mahatsapa fa tsy ampy ny fiarovana ny ala any amin’ny toerana nahalany azy. Tsy misy tetikasa miompana amin’ny tontolo iainana mihitsy any an-toerana, raha ny nambaran’ity filohan’ny vaomieran’ny jono sy ny harena anaty rano ity, ka tanjony ny hitady mpiara-miombon’antoka hisehatra amin’izany. Tsy voaaro ny ala any amin’ny distrikan’i Nosy Varika, satria lasa iveloman’ny vahoaka, hoy izy, nefa mbola misy ala tokony ho azo arovana tsara any. Any Marolambo ihany koa dia ahitana ny tahirin’ala lehibe indrindra any Atsinanana, ka tokony omena lanja. Mendrika ny hisitraka famatsiambola mifandraika amin’izany ny distrika nahavoafidy azy, araka ny hevitry ny depiote Augustin Randrianasolo. Rehefa voaaro ny alan’i Madagasikara, hoy izy, dia izao tontolo izao mihitsy no voaaro.

Fandraisan’anjaran’ny rehetra

Ny hain-tany, izay mampalaza ratsy ny tapany atsimon’ny Nosy kosa, no tian’ny solombavambahoakan’i Betroka, RANDRIANASOLO Jean Nicolas, hitadiavana vahaolana. Mila mirotsaka an-tsehatra mivantana ny olom-boafidy, hitarika ny manam-pahefana isan’ambaratongany sy hanentana ny olona rehetra hiaro ny tontolo iainana, hoy izy. Tsy vitan’ny olom-boatendry irery, fa samy manana anjara andraikitra avokoa ny daholobe, araka ny nambaran’ity filohan’ny vaomiera misahana ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra ity. Sehatra iray nomena ireo parlemantera rehetra ao anatin’ny Firenena Mikambana, mba ifanakalozan-kevitra moa ny androany, itadiavana fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ifampizarana traikefa sy fomba mahomby, momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Lire la suite

Articles Similaires