• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Kolontsaina : Nankatoavin’ny UNESCO ny maha-harembakoka ny Hiragasy

06/12/2023 15:38 © Moov.Mg

Tafiditra ho isan’ny Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, ao anatin’ny lisitry ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO) ny Hiragasy, nanomboka ny alatsinainy lasa teo.

Harembakoka telo

Nankatoavina tany Botswana, nandritra ny andro voalohan’ny fivorian’ny komity iraisan’ireo Governemantan’ireo firenena mpikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy fiarovana ireo Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel) ny fampidirana ny Hiragasy ho ao anatin’ny lisitry ny Harembakoky ny UNESCO. Izany fivoriana izany dia tanterahina any Kasane Botswana, nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo ary hifarana amin’ny sabotsy 9 desambra izao. Telo amin’izao ireo Harembakoka ara-tsaina malagasy tafiditra ao anatin’io lisitra io, satria efa ao anatin’izany nanomboka ny taona 2008 ny asa tanana Zafimaniry ary tafiditra tao, nanomboka tamin’ny taona 2021 ny kabary.

Manintona mpizahatany

An’arivony ny harembakoka misy eto amintsika, hoy Razafiarison Francis Alexandre, Tale jeneralin'ny kolontsaina eo anivon'ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mbola maro amin’izy ireo no tokony hampidirina ao anatin’ny lisitry ny UNESCO. Tombony azontsika amin’izany ny fahafahantsika manintona ireo mpizahatany vahiny to tonga eto. Tondro milaza mantsy ny fahatafidirana ho isan’ireo harembakoka, fa misy kolontsaina mendrika ny hojerena aty Madagasikara. Rehefa miteny hoe : mpizahatany vahiny anefa, hoy hatrany Razafiarison Francis, dia midika ho vola miditra ho an’ny firenena izany. Isan’ireo toerana manintona ny vahiny sy efa voasokajy ho harembakoka iraisam-pirenen’ny UNESCO ihany koa ny Tsingin’i Bemaraha sy Ambohimanga rova.

Araka ny fantatra dia ny volana aprily 2022 no nametrahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny antontan-taratasy momba ny Hiragasy teo anivon’ny UNESCO.


Copyright Image : © MSK

Lire la suite

Articles Similaires