• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kolotv
Image
Vaovao

Fampiasan-dalana : Averina indray ny fanentanana « Aro Lozan’ny Fifamoivoizana »

06/12/2023 15:32 © Moov.Mg

Fotoana mahabetsaka ny trangana lozam-pifamoivoizana ny fetin’ny faran’ny taona, izay efa manakaiky. Manampy trotraka izany ihany koa ny fotoam-pahavaratra, izay mampalama ny lalana sy mampihena ny fahitan’ny mpamily. Ao anatin’izany vanim-potoana izany indrindra no amerenan’ny Antokondraharaha misahana ny Fitaterana an-tantety (ATT) ny Aro Lozan’ny Fifamoivoizana.

Manampy amin’ny fitandremana

Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2022 dia nisy 215 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto Madagasikara ary niisa 1. 029 ireo naratra. Voatondro ho antony lehibe indrindra nitarika izany ny tsy fitandreman'ny mpamily, ny fandehanana mafy sy ny fitondrana fiara ao anaty hamamoana, ankoatra ny olana ara-teknika. Nanampy ny mpampiasa lalana hitandrina kokoa sy ho tompon’andraikitra, ny fisian’ny fandaharana Aro Lozan’ny Fifamoivoizana (ALF) nalefa tamin’ny haino aman-jerim-panjakana, tamin’izany fotoanany. Hamerina izany indray, manomboka izao ny ATT, miaraka amin’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny Toetry ny Andro. Tanjona ny hanentanana ny mpamily fiara, ny mpitondra kodiaran-droa, ny mpitarika posy sy sarety sy ny mpandeha an-tongotra, mba hisoroka ny loza amin’ny alalan’ny fihetsika fitandremana.

Fanentanana eny ifotony

Horonan-tsary amin’ny endrika sarimiaina na horonan-tsary ahodina eny an-dalam-be rehetra eny no halefa ho hitan’ny besinimaro, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT, Ratovohery Mirambololona. Ezahina mba ho hafatra mora voarain’ny rehetra no hampitaina, mba hipàka amin’ny mpampiasa lalana rehetra tsy an-kanavaka izany. Etsy an-daniny, efa manomboka manatanteraka fidinana ifotony ihany koa ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy rehetra. Fanentanana ny besinimaro no tena atao amin’izany, mba hisorohana ny loza tsy hitranga, tsy hamoizana ain’olona sy tsy hanimba fananana, satria lahy tokana ny aina ka mila arovana.

Lire la suite

Articles Similaires