• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro : Natokana ho an’ny rano ny dinika ho an’i Madagasikara, tany Dubaï

05/12/2023 21:25 © Moov.Mg

Natokana ho an’ny rano, fahadiovana ary fidiovana ny andron’ny androany 5 desambra tao amin’ny « Pavillon Madagascar », ao anatin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro na ny COP28 tanterahina any Dubaï. Nanao famelabelarana mahakasika izany ny minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Fidiniavo RAVOKATRA.

Tetikasa amehezana tahirin-drano

Ny hanohanana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay miteraka tondra-drano any amin’ny faritra sasany sy hain-tany any amin’ny Faritra hafa, no tanjona lehibe nanatanterahana ny « Wash Day » androany. Rehefa miresaka tontolo iainana sy ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro mantsy, dia tsy azo ihodivirana ny rano. Araka ny voalazan’ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra dia efa misy ny ezaka ataon’ny Fanjakana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanamboarana ny « Pipeline Efaho ». Manambara zavatra maro manodidina ny COP28 io tetikasa io, hoy hatrany ny Minisitra, satria mampiseho fa haintsika ny mampiasa ny tahirin-drano eto amintsika. Tetikasa manova tanteraka ny fiainan’ny mponina rahateo ny « Pipeline Efaho », hoy i Fidiniavo Ravokatra, fa tsy mijanona amin’ny fanampiana ara-tsakafo fotsiny.

Rano fisotro sy toeram-pidiovana mendrika

Ankoatra ny fitadiavana famatsiam-bola dia fotoana nanentanana ireo mpiantsehatra rehetra, mba hifanolo-tanana amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa, ity « wash day » androany ity. Ny handraisan’ny rehetra anjara andraikitra amin’ny fanomezana rano fisotro madio sy toeram-pidiovana mendrika hositrahan’ny Malagasy rehetra no tanjona. Notsiahivin’ny minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana fa amin’izao fotoana izao dia 53% ny taham-pisitrahan’ny Malagay rano fisotro madio ary efa ezahina ny hampitomboana izany. 39% kosa ny taham-pisitrahana fotodrafitrasa fanadiovana fototra. Raha ny nambaran’i Fidiniavo Ravokatra dia ahafahana maneho ny COP28, fa mitazona ny fandraisana andraikitra sy ny fifantohana amin’ireo ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires