• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Booking-Com
Image
Vaovao

Fizahantany : Feno 100% ireo hôtely tany amin’ireo toerana falehan’ny mpitsidika vahiny

05/12/2023 15:32 © Moov.Mg

Manan-karena i Madagasikara raha ny lafiny fizahantany. Na toerana azo tsidihina, na kolontsaina, dia samy ananantsika avokoa ary manintona mpizahatany maro. Na izany aza, mbola ambany ny isan’ny mpizahatany tonga eto amintsika, raha mitaha amin’ny zava-misy any amin’ireo nosy rahavavy. Nahitam-piakarana kosa anefa izany, ho an’ity taona ity.

Nampiditra zava-baovao

Raha ny tsikaritra nandritra ny vanim-potoanan’ny fizahantany (haute saison) teto amintsika, dia nahitana fitomboana ny isan’ireo mpizahatany vahiny tonga teto Madagasikara tamin’ity taona ity. Raha ny fanazavan’i Dina Rasoanaivo, talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fizahantany, dia nisy tolotra vaovao tamin’ity taona ity, izay nanampy tosika ny fiakaran’ny isan’ireo mpitsidika tonga teto amintsika. Isan’izany, ohatra ny « kitesurf », izay lasa hetsika manana ny maha-izy azy, raha tsy hilaza afa-tsy ny hetsika Festikite izay notanterahina tany amin'ny Baie de Sakalava any Antsiranana. Tao ihany koa ny fampitomboana ireo fitaovam-pitaterana mankaty Madagasikara. Raha ny tany Taolagnaro manokana izao dia nitombo avo roa heny ny sambo mpitondra mpizahatany tonga tany an-toerana, raha ny fanazavana nomen’ity tomponandraikitry ny ministeran’ny fizahantany ity. I Nosy be indray dia voalohany no nandray fiaramanidina « charter » nitondra mpizahatany avy any Bolgaria.

Mampiroborobo ny toekarena anatiny

Tombony lehibe ho an’ireo toekarena anatiny, indrindra any amin’ireo toerana lalovan’ireo mpizahatany, ny fahatongavan’izy ireo marobe. Isan’izany ireo hôtely lehibe. Raha ny tany amin’ireo toerana tena falehan’ireo mpizahatany, toa an’i Nosy Be sy ny valan-javaboary arovan’Isalo, ohatra, dia feno 100% ireo trano fandraisam-bahiny nandritra ny vanim-potoana fahatongavan’ireo mpizahatany vahiny, araka ny nambaran’i Dina Rasoanaivo. Feno tamin’ny taha 40% kosa, raha fara-fahambaniny, ny tany amin’ireo toerana hafa. Efa salan’isa tsara ireo, raha mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa. Mitondra tombony ho an’ireo sehatr’asa hafa mifandrohy amin’ny fizaha-tany ihany koa ny fahatongavan’ireo vahiny, ka mampiroborobo ny fanjifana ny asa tanana, ny fitaterana sy ny sehatry ny famokarana toy ny jono, ny fambolena sy ny fiompiana.

Lire la suite

Articles Similaires