• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

COP28 : Niompana tamin’ny famatsiam-bola ny adihevitra tao amin’ny « Pavillon Madagascar »

04/12/2023 19:48 © Moov.Mg

Andro ho an’ny fitantanam-bola androany, tao amin’ny « Pavillon Madagascar », mandritra ny fihaonambe momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro COP28. Mpiara-miombon’antoka maro no nanatrika izany, araka ny fampitam-baovao avy any Dubaï, anatanterahana ny fihaonana.

Fandrindrana asa niarahana

Isan’ny asa tanterahin’ireo delegasiôna malagasy, isaky ny manatrika ny fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro (COP), ny mitady famatsiam-bola ho fanohanana an’i Madagasikara amin’ny ady atao amin’izany fahasimban’ny tontolo iainana izany. Hatramin’izay anefa, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Vina Marie-Orléa, dia mandeha mitsitokantokana ireo mpisehatra, samy mitady ny azy. Tamin’ity taona ity kosa dia nisy ny fandrindrana asa niarahana, ary efa nahitam-bokatra izany, araka ny nambaran’ny Minisitra hatrany. Tombony ihany koa ny nametrahana ny « Pavillon Madagascar », izay voalohany teo amin’ny tantaran’ny COP no nisiany. Ahafahana mamondrona ireo izay liana amin’i Madagasikara ity toerana natoka ho azy ity.

Mendrika ny hotohanana

Tao amin’ity toerana natokana ho an’i Madagasikara ity no notanterahina ny adihevitra sy fifandresen-dahatra momba ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Nandritra izany no nilazan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, fa tsy anisan’ireo firenena mandoto i Madagasikara, nefa mizaka ireo fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vokatr’izay dia lasa alefa any amin’ny fiarenana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny vola tokony atokana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Teti-bola be dia be, ohatra, no enti-miarina, aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza, araka ny fanazavany, nefa tokony ampiasaina amin’ny fampandrosoana. Araka izany dia mendrika ny hotohanana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola i Madagasikara, amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro.

Vonona ny hiara-hiasa

Nilaza moa ny minisitra Vina Marie-Orléa, fa mbola hisy ny fihaonana hataon’ny delegasiôna malagasy, nomena ny anarana hoe : « Post-COP ». Mandritra izany no hanaovana tombana ny asa vita sy ny famatsiam-bola azo nandritra izao COP28 izao.

Mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka vahiny ary solontena maro avy amin’ireo firenena vahiny no tonga nanatrika ity andron’ny fitantanam-bola ity. Nanamafy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra i Madagasikara, ao anatin’ny ady iombonana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Isan’ny manatrika ity fihaonam-be any Dubaï ity ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valérie ; ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Zely Arivelo Randriamanantany ; ny minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, ary koa ireo Solombavambahoaka maro.


Copyright Image : © MEDD

Lire la suite

Articles Similaires