• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Thrive Madagascar
Image
Vaovao

Ady amin’ny fahantrana : Azo trandrahana tsara ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fizahantany

04/12/2023 16:34 © Moov.Mg

Miaina amin’ny vola latsaky ny 2 dôlara isan’andro isam-batan’olona, izay tondro farany ambany napetraky ny Banky Iraisam-pirenena, ny 80%-n’ny Malagasy. Mametraka antsika ho firenena faraidiny indrindra eran-tany izany. Tsy ireo sehatra azo trandrahana anefa no tsy misy, fa ny finiavana pôlitika hametrahana paikady mahomby ho enti-manarina an’i Madagasikara no tokony ampiana tosika.

Tazonina mba haharitra

Sehatra 2 no azon’i Madagasikara trandrahana, mba hanafainganana ny ady amin’ny fahantrana, dia ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny sehatry ny fizahantany, raha ny fanehoan-kevitry ny tale jeneralin'ny Ivotoerampirenana Misahana ny Antontan'isa (INSTAT), Ndremitsara Tarzan Jean Baptiste. Momba ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana dia efa nisy ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana, toy ny fizarana zezika sy masomboly, ny fanavaozana ny teknikam-pambolena sy ny fanofanana ireo mpamboly momba izany. Mila amafisina izay ezaka izay, hoy ity Tale jeneralin’ny INSTAT ity. Efa misy fivoarana ihany koa ny sehatry ny fizahantany, raha ny fahitany azy, satria efa miverina mitombo tsikelikely ny isan’ireo mpizahaany tonga eto amintsika. Ny hampiakarana hatrany izany sy ny hitazonana ny vokatra mba haharitra no tokony imasoana, hoy izy.

Sehatra manara-dalàna

Ankoatra izay dia ilaina ihany koa, hoy i Ndremitsara Tarzan, ny mijery sehatra roa na telo tena mampiavaka an’i Madagasikara, ka omena vahana izany. Azo atao ny mijery lafiny iray ao anatin’ireo sehatra roa efa voatanisa ireo, ka ao anatin’ny fambolena sy ny fiompiana, ohatra, dia azo atao tsara ny mampivelatra ny fandraharaharana ara-pamokarana (agribusiness). Fa ny tena zava-dehibe, araka ny torohevitra nomen’ny Tale jeneralin’ny INSTAT, dia ny fampanarahan-dalàna ireo sehatra ireo. Ho an’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izao dia efa lany ny volavolan-dalàna vaovao mifehy azy. Miandry ny didy fampiharana araka azy ny tokony ho izy, mba ahafahana manamafy ny fifehezana azy. Ao anatin’ny fanatanterahana ny kajy momba ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara moa ny teknisianin’ny INSTAT amin’izao fotoana izao, ka heverina fa hivoaka tsy ho ela izany.

Lire la suite

Articles Similaires