• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hello Workplace
Image
Vaovao

Fahasembanana : Mahakasika ny ara-tsaina ny 21,9 %

04/12/2023 16:30 © Moov.Mg

154 255 no isan’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara, raha ny antontan’isa navoakan’ny Fanisana Ankapobeny fahatelo momba ny Mponina sy ny Toeram-ponenana (RGPH-III).

Mandalo sedra maro kokoa izy ireo, amin’ny lafim-piainana maro, raha mitaha amin’ireo olona tsy manana fahasembanana. Ny handraisan’ny rehetra andraikitra, mba hanomezana ny toerana sahaza azy ho azy ireo, no tanjon’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana tamin’ity taona ity.

Misokajy efatra

Araka ny voalazan’ny andininy faha-2 amin’ny lalàna 97-044 mahakasika ny zon'ireo olona manana fahasembanana "ny teny hoe sembana dia fanondroana ny olon-drehetra manan-takaitra hatrany am-bohoka na tao aoriana, eo amin’ny vatana na eo amin’ny saina izay tsy hahafahan’izy tenany miatrika manontolo na amin’ny ampahany ny tena ilaina amin’ny fiaimpiainan’ny isam-batan’olona na eo amin’ny fiaraha-monina." Azo sokajiana ho 4 ny fahasembanana dia ny ara-batana, ny ara-tsaina, ny ara-pandrenesana ary ny ara-pahitana. Araka ny antontan’isan’ny RGPH-3 dia manana fahasembanana ara-tsaina ny 21,9 % amin’ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Izy ireo no tena matetika voailika, tsy manana asa mendrika sy tsy manorin-tokantrano. Araka ny antontan’isa nampitain’ny fikambanana tsy miankina Humanité & Inclusion anefa dia tsy hita maso ety ivelany avokoa ny 80%-n’ny trangana fahasembanana.

Olona feno

Marihina isaky ny 3 desambra ny andro iraisam-prenena ho an’ny olona manana fahasembanana. Lohahevitra voizina maneran-tany amin’ity taona ity ny hoe : « Isika miaraka, mamonjy sy manatanteraka ireo Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy, ho an’ny, miaraka amin’ny ary amin’ny alalan’ny olona manana fahasembanana ».

Fotoana fanandratana ny maha-olona feno ny olona manana fahasembanana io andro io, hoy ny Vaomiera mahaleotena momba ny zon' olombelona (CNIDH). Fotoana ihany koa anentanana ny mpiara-belona mba hanao jeritodika mahakasika ny fanajana sy fampisitrahana ny zo mifanaraka amin'ireo sehatr'asam-pihariana andavanandrony. Issa Sanogo, Mpandrindra maharitry ny asan'ireo sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana eto amintsika kosa dia nanentana ny mba hampidirana ny momba ny fahasembanana, ao anatin’ireo paikady rehetra ara-pôlitika, ara-tsôsialy, ara-toekarena ary ara-kolontsaina rehetra eto Madagasikara. Izany dia mba hiainana ao anaty tontolo andraisan’ny rehetra anjara sy feno fitoviana.

Lire la suite

Articles Similaires