• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 27 novambra hatramin'ny 3 desambra 2023

04/12/2023 10:40 © Moov.Mg

Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandron'ny 27 novambra 2023.

Ny vokapifidianana filoham-pirenena 2023 no nitana ny sain'ny maro tamin'iny herinandro iny. Tsy vitsy kosa nefa ireo vaovao hafa teo amin'ny lafiny politika, sosialy, koltoraly ary fanatanjahan-tena.

HCC # Nanambara ny vokapifidianana ofisialy

Ny zoma lasa teo no nanambara ny vokapifidianana ofisialy ny HCC, teny Ambohidahy. Tsy dia nifanalavitra firy tamin'ny vokatra vonjimaika nambaran'ny CENI izany, satria dia ny kandida Andry Rajoelina ihany no lany ho filoham-pirenena. Mialoha ny nanambarana izany vokatra izany nefa, dia nisy ny famaliana ireo fitoriana sy fitarainana isan-karazany napetrak'ireo kandida. Amin'ny ankapobeny dia nolazaina fa tsy nitombina ny fitoriana napetraky ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Nohenoina kosa nefa ny fitarainan'ny kandida Andry Rajoelina ka nisy ireo vato azon'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko no nofoanana tamin'ny birao fandatsaham-bato tsy latsaky ny folo.
Tamin'ny taha 58,96% no nahalanian'ny kandida Andry Rajoelina ho filohan'i Madagasikara indray, ho an'ny 5 taona manaraka.

Andry Rajoelina # Tohanan'ny vondrona iraisam-pirenena

Namonjy ny COP 28 tany Dubai ny filoham-pirenena vao lany Andry Rajoelina ny faran'ny herinandro teo. Tamin'izany indrindra no nanararaotan'ireo filoham-panjakana maro niarahaba azy.
Ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara moa dia nandefa taratasy fiarahabana nanomboka tamin'ny zoma 1 desambra, raha vao nahare ny voka-pifidianana ofisialy. Misy ihany koa ireo filoham-panjakana manoratra fiarahabana amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy.

Kandida 11 # Niverina niombona indray

Niverina ao amin'ny Collectif des candidats indray ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Miombona indray ireo kandida tsy nandray anjara tamin'ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo. Ny alakamisy lasa teo no nanatanteraka fihaonambe izy ireo, ary nanambara fa mbola hanohy ny "tolona" hikarakarana fifidianana tena madio sy eken'ny besinimaro. "Natao amboletra ary tsy maneho ny tena safidim-bahoaka marina ny saritsarim-pifidianana Filoham-pirenena izay natao farany teo, ary ho fanoherana an'izany no efa nitolomantsika sy mbola hitolomantsika", hoy ny filoham-pirenena teo aloha sady kandida, Hery Rajaonarimampianina.

Collectif des candidats # Nihaona tamin'ny vondrona iraisam-pirenena

Maneho hatrany ny tsy fankasitrahany ny vokapifidianana ny Collectif des candidats. Nisy indray ny fihaonan'izy ireo tamin'ny vondrona iraisam-pirenena. Nanolotra "mémorandum" manazava ny tsy fanarahandalàna maro nandritra ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ny fifidianana ny 16 Novambra lasa teo ireo kandida tsy nandray anjara tamin'ny latsabato. Tsy nisy nipika kosa ny dinika nifanaovan'izy ireo ankoatra izay.

Fianianan'ny filoha vaovao # Efa raikitra ny daty

Amin'ny sabotsy 16 desambra ho avy izao, izany hoe iray volana tao aorian'ny fifidianana, no hanatanterahan'ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany. Ao anatin'ny iray volana izany dia sady vita ny fifidianana, no voakirakira ny vokatra, no mahazo filoham-pirenena voafidy tamin'ny fomba demokratika i Madagasikara. Eny amin'ny kianjan'i Mahamasina no hanatanterahana ny lanonana. Aorian'izay no mandray ny asany amin'ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena vao lany tamin'ny fifidianana, Andry Rajoelina.

CENI # Manomboka ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

Tsy tapitra hatreo akory ny raharaha mikasika ny fifidianana. Mbola hisy mantsy ny fifidianana ben'ny tanàna sy solombavambahoaka. Noho izany indrindra, nisokatra ny 1 desambra lasa teo ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Amin'ny 31 janoary izany vao hifarana. Ny atao mandritra izany, amin’ny ankapobeny, dia ny fanoratana ho ao anaty lisi-pifidianana ireo olom-pirenena tsy voasoratra anarana ka mangataka izany, na ireo izay tsy mbola nisoratra anarana kanefa mahafeno ny fepetra maha-mpifidy takian’ny làlàna. Fanararaotra ihany koa ity fotoana ity, mba hisoratan’ireo olona izay nifindra trano ho ao amin’ny fokontany vaovao misy azy.

Antenimierampirenena : Tsy nasiam-panovana ny LFI 2024

Nolanian’ireo Solombavambahoaka, tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana, ny 30 novambra 2023 lasa teo, ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Raha tsiahivina moa dia lalan-tsaina telo no nentina namolavolana ity tetibolam-panjakana ity, dia ny ny fanohanana ny sosialy sy ny fanatsarana ny maha olombelona, ny fanohanana ireo sehatra tsy miankina amin’ny tetikasa sy seha-pamokarana mampitombo mivantana ny harin-karena sy mamorona asa ary ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana mangarahara.

Jirama # Hahazo tale vaovao

Vinavinaina ho amin'ny faran'ity taona ity no hanendrena ny talen'ny JIRAMA vaovao ( Manager de redressement). Tsiahivina fa efa tamin'ny volana jona no nalefa ny tolotr'asa. Raha ny faniriana, hoy ny ministry ny Angovo sy Akoranafo, Solo Andriamanampisoa, dia malagasy no hanatanteraka izay fitantanana sy fanarenana ny orinasa Jirama izay. Roa ihany anefa no tera-tany malagasy namaly ilay tolotr’asa iraisam-pirenena navoakan’ny Fitondram-panjakana malagasy, sady tsy nahavaly ireo mason-tsivana takiana. 19, araka ny fantatra, no isan’ireo naneho fahalinana tamin’izany tolotr’asa izany ary niisa 4 no nandalo ny dingana fifampiresahana. Hatreto dia misy anankiroa no voatazona, izay tera-tany vahiny avokoa.

Fahavaratra # Nametrahana saina mena eny amin'ny faritra mampidi-doza

Vao tany amin’ny fiandohan’ity olana novambra ity no nisy vatobe nahiana hihotsaka teo Ankadilalana, izay nihamitriatra ary nisy rano nivoaka. Tadindomin-doza toy izany hatrany, amin’ny ankapobeny, ireo toerana avo, voasokajy ho faritra mena, rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Rehefa tsy ny vato no ahiana hianjera, dia ny tany no atahorana hihotsaka. Noho izany, nametrahana saina mena avokoa ireo faritra voakasiky ny vatobe, eny amin'ny La Haute Ville, hatreny Ambanin'Ampamarinana sy Ankadilalana rehetra iny.

Africa Cup # Raraka teo amin'ny manasadalana ny Ankoay 3x3

Laharana fahatelo i Madagasikara tamin'ny Africa Cup 3x3 notontosaina tany Egypta. Medaly alimo no entina mody aty an-tanindrazana, na ho an'ny sokajy lehilahy na vehivavy. Tsy ho tanteraka izany ilay nofinofy handray anjara amin'ny lalao fifanintsanana amin'ny "Jeux Olympiques de Paris 2024". Nampiseho fahaiza-manao nahatalanjona nefa ireo mpilalao, sady niady hatramin'ny farany na dia natanjaka tokoa aza ny mpifanandrina.

Mariette Andrianjaka # Lavo ny andrarezin'ny haify Malagasy

Nindaosin’ny fahafatesana ny 27 novambra 2023 ilay mpahandro sakafo malagasy miavaka : Mariette Andrianjaka, vady navelan'ny mpanakanto Ludger Andrianjaka. Isan’ny tena nahafantarana azy ny nitahirizany ny fomba fikarakarana ny hanimpitoloha fahampanjaka. Amin’ny ankapobeny dia ny « Tatao », na « Hanimpitoloha » hatrany no narosony, mba hianohan’ireo vahininy ny tena tsiro malagasy. Isan’izany, ohatra, ny vorombe sy henan-kisoa, ny amalona sy henan-kisoa, ny varanga, ny henan’omby ritra, ny henan-janak’omby sy tsaramaso, ny ravitoto sy henan-kisoa ary ny romazava.

Letchi # Efa nisy sambo nitondra ireo vokatra voalohany any ivelany

Sambo 3 lehibe no efa niainga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, nitatitra ny letisia haondrana any ivelany. Manodidina ny 5 000 taonina avy no nentin’ny roa tamin’ireo sambo ireo, namomjy an’i Eoropa sy Azia. 2 000 taonina eo ho eo kosa no nentin’ny sambo iray nihazo an’i Rosia. Miabo ny tomban’ny fanondranana letisia any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, raha ny nambaran’i BELALAHY Jean Berchmans, Talem-paritry ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana any an-toerana.

Faritra Atsimo Atsinanana# Mbola manjaka ny tsifanjariantsakafo

Nampirongatra ny mosary any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ny fandalovan'ny rivodoza. Ny foto-tsakafo mihitsy no tsy misy, ka mitarika ny tsifanjariantsakafo mitarazoka mamely ireo zaza latsaky ny 5 taona any an-toerana. Nanamafy ny tomponandraikitra ao amin’ny Ofisim-paritry ny Fanjariantsakafo (ORN) any Atsimo Atsinana, Andrianjafinarivo Zo-Nandrianina, fa ady marolafy ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, ka ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly momba ny sakafo andiany faha-4, na PNAMN 4 (Plan National d’Action Multiserctorielle pour la Nutrition) no tena asa maika imasoana.

Lire la suite

Articles Similaires