• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Fanarenana ny orinasa Jirama : Hotendrena amin’ny fiandohan’ny taona 2024 ny tale vaovao

02/12/2023 06:41 © Moov.Mg

Tany amin’ny volana jona no efa nisy ny tolotr’asa navoaka mba hitadiavana mpitantana hanarina (Manager de redressement) ny orinasa Jirama. Hatreto anefa dia mbola tsy tontosa ny dingana rehetra nahafahana nametraka izany olona antenaina fa hitondra fanatsarana eo anivon’ity orinasam-panjakana ity izany.

Tsy liana ny Malagasy

Raha ny faniriana, hoy ny ministry ny Angovo sy Akoranafo, Solo Andriamanampisoa, dia malagasy no hanatanteraka izay fitantanana sy fanarenana ny orinasa Jirama izay. Roa ihany anefa no tera-tany malagasy namaly ilay tolotr’asa iraisam-pirenena navoakan’ny Fitondram-panjakana malagasy, izay nankininy tamin’ny orinasa Alexander Hughes. 19, araka ny fantatra, no isan’ireo naneho fahalinana tamin’izany tolotr’asa izany ary niisa 4 no nandalo ny dingana fifampiresahana. Hatreto dia misy anankiroa no voatazona, izay tera-tany vahiny avokoa. Tsy nahavaly ireo mason-tsivana takiana mantsy ireo Malagasy vitsy nandefa ny antontan-taratasiny. Manam-pahaizana ary misongadina manerana izao tontolo izao anefa ny Malagasy, hoy ny Minisitra, ka antenaina fa mba hisy Malagasy hazoto hamaly ny antso, raha misy fiverenany ny tolotr’asa toy izao.

Famerana ny fahatapahan-jiro

Araka ny fantatra dia tsy maintsy hotendrena amin’ny fiandohan’io taona ho avy io ny tale jeneraly raikitra eo anivon’ny Jirama, izay hiandraikitra izay fitantanana sy fanarenana izay. Nanaiky ny hanemorana kely ny fe-potoana nitadiavana izay olona mahafeno ny fepetra rehetra ny mpiara-miombon’antoka vahiny, hoy ny fanazavan’i Solo Andriamanampisoa, noho ny niatrehan’i Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Notsipihiny moa fa tsy teknisianina no notadiavina, fa mpitantana manana ny fahaiza-manao takiana amin’ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity. Mandrapiandry izay fanendrena izay, dia nilaza ny minisitra fa ny famerana ny fanapahan-jiro aloha no tena imasoana.

Lire la suite

Articles Similaires