• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ho an’ny 5 taona manaraka

01/12/2023 18:46 © Moov.Mg

Karazan’ny nanamafy fotsiny ihany ny efa voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana, ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) androany. Lany tamin’ny fomba ofisialy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ao anatin’ny 5 taona indray mantsy, i Andry Rajoelina.

Izay natomboka dia hofaranana

Isam-bato 2 858 947, izay manome salan’isa 58,96% no azon’i Andry Rajoelina, nandritra ny fifidianana notontosaina ny 16 novambra lasa teo, araka ny famoaham-bokatra ôfisialy notanterahina teny amin’ny HCC Ambohidahy androany. Araka izany, lany tamin’ny fihodinana voalohany izy ka tsy hisy intsony ny fihodinana faharoa. Afaka mandray ny toerany avy hatrany izy, noho izany, raha vao vita ny fianianany. Tao anatin’ny tafa fohy nifanaovan-dRajoelina tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny famoaham-bokatra ofisialy, no nilazany fa hatomboka amin’ny herinandro ho avy izao ny asa fampandrosoana hotanterahiny. Betsaka, hoy izy, ny laharam-pahamehana, toy ny fitsinjovana ny sôsialim-bahoaka, ny fananganana orinasa mba hamokarana sy hanodinana ireo vokatra ilain’ny Malagasy eto Madagasikara. Izay natomboka, hoy hatrany izy, dia tsy maintsy hofaranana.

Anto-bola haverina

Fa nialoha ny famoahana ny voka-pifidianana, dia nisy ny fitanisana ireo fitoriana na fitarainana miisa 15, izay voarain’ny HCC. Samy nametraka izany daholo ireo kandida 3 nandray anjara tamin’ny fifidianana, dia i Andry Rajoelina, Siteny Randrianasoloniaiko ary Sendrison Daniela Raderanirina. Nisy ireo azo noraisina, nisy ireo nolavina ary nisy ihany koa ny fanafoanana voka-pifidianana sasany. Etsy an-daniny, ireo Kandida tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana dia nahazo isam-bato ihany, ka ho an’ireo efa filoham-pirenena teo aloha, dia 5,18% ny vato azon’i Hery Rajaonarimampianina ary 12,09% ny an’i Marc Ravalomanana. Teo amin’ny laharana fahateo no nisy an’ity farany raha teo amin’ny laharana faharoa kosa i Siteny Randrianasoloniaiko izay nahazo salan’isam-bato i 14,39%. Miverina ny anto-bola 200 tapitrisa Ariary ho an’ireo telo voalohany, izay nihoatra ny salan’isa 10% ny vato azony.

Lire la suite

Articles Similaires