• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana : Nolanin’ny Depiote maherin’ny 60, tsy nasiam-panovana

30/11/2023 16:49 © Moov.Mg

Nolanian’ireo Solombavambahoaka, tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana, androany 30 novambra 2023, ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Lany teo anivon’ny asam-baomiera

Taorian’ny asam-baomiera dia nentina teo anatrehan'ny fivoriambe tao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny volavolan-dalàna laharana faha 023/2023 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (LFI 2024), ho an'ny taona 2024. Lany, tsy nasiana fikitihana izany, raha toa ka efa lany tsy nasiam-panitsiana ihany koa ireo andininy 22 mandrafitra ity LFI 2024 ity, teo anivon'ireo vaomiera telo voakasika. Miisa 64 ny Solombavambahoaka nanatanteraka ny fandaniana ity lalàna. Fantatra, ankoatra izay, fa nisy Solombavambahoaka avy amin'ny fanoherana nivoaka ny efitrano, rehefa nanomboka ny fandaniana ny volavolan-dalàna.

Mifototra amin’ny lalan-tsaina 3

Taorian’ny tatitra nataon’i Tsaradia Marco, Mpampaka-tenin’ny Vaomieran’ny fitantanam-bola sy ny teti-bola, dia nandray anjara fitenenana ihany koa i Johasy Raharisoa Eléonore, Filohan’ny Vaomieran’ny fanombanana ny politikam-panjakana, nitondra ny fanamarihana avy amin’ny mpikambana anaty vaomiera, mikasika ity lalàna ity. Tolo-kevitra no nomena, dia ny amin’ny tokony hahatongavan’ny volavolan-dalàna ara-potoana eny am-pelatanan’ireo Parlemantera sy amin’ny tokony handinihana izany araka ny tokony ho izy. Raha tsiahivina moa dia lalan-tsaina telo no nentina namolavolana ity tetibolam-panjakana ity, dia ny ny fanohanana ny sosialy sy ny fanatsarana ny maha olombelona, ny fanohanana ireo sehatra tsy miankina amin’ny tetikasa sy seha-pamokarana mampitombo mivantana ny harin-karena sy mamorona asa ary ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana mangarahara.

Lire la suite

Articles Similaires