• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amnesty International Schweiz
Image
Vaovao

Herisetra ara-nofo ataon’olom-pady : Mateti-pitranga eto amintsika, fa tsy resahana, noho ny henatra

30/11/2023 16:45 © Moov.Mg

Ny olona akaiky daholo no mahavanona ny 80% amin’ny herisetra ara-nofo eto Madagasikara, araka ny antontan’isa nambaran-dRazanajafy Florentine, filohan’ny fikambanana TAO. Fotoana izao 16 andro fientanana izao, hanamaivanana ny vesatra iainan’ireo olona niharan’izany, izay mety nangina sy tsy nahasahy namboraka ny nahazo azy, nandritra ny fotoana ela.

Vehivavy niharan’ny fanolanana

Isan’ireo niharan’ny fanolanana Razanajafy Florentine, tamin’ny fahatanorany. Ny Rahalahin-drainy no nahavanona izany, araka ny fitantarany. Nanohana azy ny fianakaviany tamin’ny nisedrany izany herisetra ara-nofo izany, saingy ilay mpanolana kosa dia nandà hatramin’ny farany. Isan’ny antony nananganany ny fikambanana TAO io trangan-javatra niainany io. Ireo niharan’ny herisetra hatrany mantsy, mazàna, no melohina eto amintsika. Matetika, ohatra, no ny fiakanjony, na ny fihetsika nataony, no heverina fa nandrisika ny mpanolana. Vokatr’izay dia maro amin’ireo niharan’ny fanolanana no misafidy ny hangina. Mila mahatsapa anefa ny Malagasy, hoy Razanajafy Florentine, fa tranga mpiseho matetika ny herisetra ara-nofo ataon’olom-pady, saingy tsy resahina matetika, noho ny henatra.

Roa andro hamoahana ny ao am-po

Mba hahafahan’ireo niharan’ny herisetra mihoatra izay tranga mamohehatra nahazo azy ireo izay, dia mikarakara hetsika « Vondron-dresaka » ny fikambanana TAO. Ny 2 sy ny 16 desambra izao no hanatanterahana izany eny Analamahitsy, ka afaka misafidy amin’ireo daty ireo, izay maniry ny hamoaka ny ao am-pony. Efa misokatra ny fisoratana anarana momba izany, ao anaty pejy Facebook « Association TAO ». Fotoana iray io hahafana mamoaka ny ao am-po, hifanampiana, hifanohanana, ary hitondra fanasitranana, hoy Razanajafy Florentine. Hisy, araka izany, ny psikôlôgy, hiara-hitafa amin’izay maniry ny ho avy ary hisy mpikambana avy amin’ny TAO ihany koa hanatrika ao. Tsy hihoatra ny olona 8 anefa no ho ao. Maimaim-poana ny fandraisan’anjara amin’ity hetsika ity, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny 16 andro fientanana. Hijanona ho tsiambaratelo ihany koa ny resaka rehetra hivoaka mandritra ireo andro roa hifampizarana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires