• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana : Misokatra ny 1 desambra hatramin’ny 31 janoary

30/11/2023 12:00 © Moov.Mg

Misokatra manomboka rahampitso 1 desambra indray ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Manentana ny olompirenena rehetra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) mba handray anjara mavitrika amin’izany.

Olompirenena mahafeno fepetra

Araka ny voalazan’ny andininy faha-26 amin’ny lalàna féhizoro laharana faha 2018-008 momba ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana, dia « Havaozina isan-taona ny lisitry ny mpifidy manomboka ny 1 desambra ka hatramin’ny 31 janoary ny taona manaraka ». Ny atao mandritra izany, amin’ny ankapobeny, dia ny fanoratana ho ao anaty lisi-pifidianana ireo olom-pirenena tsy voasoratra anarana ka mangataka izany, na ireo izay tsy mbola nisoratra anarana kanefa mahafeno ny fepetra maha-mpifidy takian’ny làlàna. Fanararaotra ihany koa ity fotoana ity, mba hisoratan’ireo olona izay nifindra trano ho ao amin’ny fokontany vaovao misy azy. Raha fintinina, ity fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ity dia hampidirana ireo olompirenena mahafeno fepetra nefa tsy voasoratra anarana nandritry ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ho ao anatin’izany rejistra izany.

Fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena

Raha tsiahivina dia mpifidy 11 043 836 isa no voarakitra ao anatin’ny rejisi-pifidianana nasionaly nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina farany teo. Ny 5 360 757 amin'ireo no vehivavy ary 5 683 079 no lehilahy. Aorian’ny daty fara-fisoratana anarana amin’ity fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ity dia manana 20 andro ny olompirenena mba hanamarinany ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. Manomboka ny 01 hatramin’ny 20 febroary izany. Ny andininy faha 15 amin’ny fehezan-dàlàna mifehy ny fifidianana no mamaritra izany. Voalaza ao amin’ny andininy faha-34 kosa fa « Ny tsy fisian’ny fanamarinana dia mitarika avy hatrany ny fahaverezan’ny zo rehetra hanao fitarainana ». Araka izany, fepetra hahafahana mandray anjara feno amin’ny raharaham-pifidianana ny fisoratana anarana ao anatin’ny rejisitry ny mpifidy, na ho an’ireo mieritreritra ny hilatsaka hofidiana, na ho an’ireo olom-pirenena mpifidy.

Lire la suite

Articles Similaires