• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bnrc
Image
Vaovao

Fahavaratra - Fisorohana ny loza : Nametrahana saina mena eny amin’ny tanàna ambony

29/11/2023 19:04 © Moov.Mg

Isan’ireo toerana avo ahiana hisy fihotsahana ny tanàna ambonin’Antananarivo (La haute ville), toa an’i Tsimialonjafy, Ampamarinana, Manjakamiadana, Ambohipotsy, Ambavahadimitafo ary koa ny faritr’Ambolokandrina Avaratr’Ankatso. Efa miomana ny amin’ny fisorohana ny loza aterak’izany ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny loza sy ny Tandindondoza (BNGRC).

Vato mianjera sy tany mihotsaka

Vao tany amin’ny fiandohan’ity olana novambra ity no nisy vatobe nahiana hihotsaka teo Ankadilalana, izay nihamitriatra ary nisy rano nivoaka. Tadindomin-doza toy izany hatrany, amin’ny ankapobeny, ireo toerana avo, voasokajy ho faritra mena, rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Rehefa tsy ny vato no ahiana hianjera, dia ny tany no atahorana hihotsaka. Mba hamaritana ireo toerana tena atahorana dia niara-nametraka saina mena tamin’ireo faritra teny amin’ny Fokontany Manjakamiadana, Ambanin’Ampamarinana sy Andafiavaratra, Ambohipotsy ary Andafiavaratra ireo ny BNGRC, ny Vokovoko Mena Malagasy (CRM) ny lehiben’ny Fokontany sy ny ekipany, niaraka tamin’ny CPC (Corps de la Protection Civile), ny Mpamonjy Voina ary ny avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa niarahana nidinika mialoha tamin’ireo tomponandraiki-panjakana moa ireo toerana nametrahana saina mena ireo.

Fiofanana sy fanentanana

Saina miisa 31 avy amin’ny BNGRC ary 43 avy amin’ny CRM no napetraka androany, izay anamarihana fa tandindomin-doza ireo toerana voasokajy ao anatin’ny faritra mena ireo. Mila mailo tanteraka, noho izany, ny mponina amin’ireny toerana ireny. Misy amin’izy ireo aza no tena tokony hifindra toerana mihitsy, mba hisorohana ny fahavoazana. Nisy, niaraka tamin’izany, ny fiofanana nomena ho an’ireo Fokontany sy ireo Komity miara-miasa aminy, amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidondoza, izay notanterahin’ny BNGRC sy ny CRM. Isan’ny nodinihina tao anatin’izany ny fomba atao hanentanana ireo olona izay tafiditra ao anatin’ny faritra mena, mba handraisan’izy ireo ny fepetra tandrify azy. Teo ihany koa ny fampahafantarana ireo zavatra mety hitranga sy ny tokony atao rehefa mitranga ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires