• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Tours
Image
Vaovao

Fanondranana letisia : voalohany no nisy sambo hitondra vokatra any Rosia

29/11/2023 18:44 © Moov.Mg

Miabo ny tomban’ny fanondranana letisia any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, raha ny nambaran’i BELALAHY Jean Berchmans, Talem-paritry ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana any an-toerana.

Sambo lehibe telo

Herinandro aty aorian’ny niantombohan’ny fotoam-piotazana letisia dia sambo 3 lehibe no efa niainga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, nitatitra ny letisia haondrana any ivelany. Manodidina ny 5 000 taonina avy no nentin’ny roa tamin’ireo sambo ireo, namomjy an’i Eoropa sy Azia. 2 000 taonina eo ho eo kosa no nentin’ny sambo iray nihazo an’i Rosia. Ny fisian’ity sambo hitondra vokatra letisia malagasy mankany Rosia ity no zava-baovao tao anatin’ity taom-piotazana ity, araka ny voalazan’ny Talem-paritry ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Faritra Atsinanana. Tratra tsara ihany koa ny kalitao takian’ny fenitry ny varotra ivelany, hoy hatrany izy.

Letisia 18 500 taonina

Tsy mbola fantatra ny mety ho isan’ny sambo ho avy hanangona vokatra letisia eto Madagasikara ao anatin’ity taom-piotazana ity. Mbola hitohy hatramin’ny volana janoary 2024 mantsy ny fanangonam-bokatra mankany ivelany. Letisia 18 500 taonina kosa anefa no vinavinain'i Madagasikara haondrana amin'ity taom-panondrana ity. Raha tsiahivina dia noferana ho 1 300 Ar ny vidy farany ambany andraisan’ny orinasa mpanondrana ny 1 kilao amin’ny letisia amin'ity taona ity, araka ny tapak’ireo kaoperativa, ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpanondrana. Hatreto moa dia mizotra tsara ny dingana rehetra amin’ny fanondranana, araka ny fanazavan’i BELALAHY Jean Berchmans. Ny andro voalohany ihany no nisy fahatarana kely, vokatry ny orana.

Lire la suite

Articles Similaires