• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Faritra Atsimo Atsinanana : mihoatra ny 50% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka

28/11/2023 16:42 © Moov.Mg

Nampirongatra ny « sakave », na ny mosary any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny fandalovan’ireo rivo-doza roa, Batsiraï sy Emnati, tamin’ny taona 2022. Talohan’ny fandalovan’ireo andro ratsy mahery vaika ireo dia nanodidina ny 48% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka tany an-toerana. Efa mihoatra ny 50% kosa anefa izany ankehitriny.

Ianjadian’ny loza voajanahary

Raha ny nambaran’ny goverinoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Mahafaky Justin, dia ny foto-tsakafo mihitsy no tsy misy, ka mitarika ny tsifanjariantsakafo mitarazoka mamely ireo zaza latsaky ny 5 taona any an-toerana. Ilana ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatsarana izany, hoy izy. Efa miezaka manarina izany amin’ny alalan’ny fambolena voly malaky, toy ny bokala karaoty (vomanga mavo nofo) sy amin’ny fambolena legioma ary ananana isan-karazany ihany ny mponina any an-toerana, saingy mbola tsy ampy izany. Matetika ianjadian’ny loza voajanahary rahateo iny Faritra iny. Ankoatra ny rivo-doza dia mifandimby eo ihany koa ny hain-tany, izay miseho amin’ny alalan’ny tsy fahampian’ny orana ary manimba ny tanimboly.

Ady marolafy

Nanamafy ny tomponandraikitra ao amin’ny Ofisim-paritry ny Fanjariantsakafo (ORN) any Atsimo Atsinana, Andrianjafinarivo Zo-Nandrianina, fa ady marolafy ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, ka ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly momba ny sakafo andiany faha-4, na PNAMN 4 (Plan National d’Action Multiserctorielle pour la Nutrition) no tena asa maika imasoana. Efa samy miezaka mandray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra, hoy hatrany ny nambarany. Misy ireo miandraikitra ny pôlitika momba ny sakafo, ny sasany mikasika ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana, ny sehatry ny fanabeazana indray dia miompana amin’ny fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire) sy ny fampianarana misakafo, sns…

Nisy tanjona napetraka

Raha tsiahivina dia nanomboka tamin’ny taona 2022 ary hifarana amin’ny taona 2026 ny PNAMN 4. Tanjona napetraka ao anatin’ity drafitra ity ny hampihenana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoky ny zaza latsaky ny 5 taona ho 28,4% amin’ny taona 2026, raha 39,8% izany amin’ny ankapobeny, ho an’i Madagasikara. Kendrena ihany koa ny hampihenana ny tahan’ny zaza tsy ampy lanja eo am-pahaterahana ho 13,8% any amin’ny faran’ny fanatanterahana ny drafitra, raha mitaha 16,3% izany ankehitriny. Ho an’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika kosa dia imasoana ny hitazonana ny tahan’izany ho latsaky ny 5%, hatramin’ny taona 2026.

Lire la suite

Articles Similaires