• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Polisy misahana ny ady amin’ny herisetra : mpianatra 3 600 isa no ho entanina mandritra ny 16 andro

28/11/2023 14:03 © Moov.Mg

Mandray anjara amin’ny hetsika 16 andro fientanana (16 jours d’activisme) avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy ny mahavavy, nanomboka ny 25 novambra lasa teo hatramin’ny 10 desambra izao. Isan’izany ny polisy misahana ny ady atao amin’ny herisetra amin’ny vehivavy sy ny ankizy na “PMPM”

Fampahafantarana ho fisorohana

Tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha no nosafidian’izy ireo nanombohana ny hetsika, omaly. Nifantoka tamin'ny fampahafantarana ny momba ny herisetra sy ny mety ho voka-dratsin’izany eo amin'ny zaza sy ny fiarahamonina ny fanentanana, mba ahafahana misoroka izany. Raha tsiahivina dia mizara ho sokajy 4 ny herisetra : ny herisetra ara-batana, ny herisetra ara-nofo, ny herisetra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, ary ny herisetra ara-bola. Ilaina ny mampahafantatra ireo, satria indraindray, tsy mahatsapa akory ny olona fa herisetra no ataony, rehefa tsy fikasihan-tanana izany. Ho an’ny PMPM manokana dia mpianatra miisa 3 600, mitsinjara amin'ny efitrano fianarana 63 isa, no vinavinaina hisitraka ny fanentanana, mandritra ity 16 andro fientanana taona 2023 ity.

Trangana herisetra 8 468 isa

Mandray anjara feno amin’ny ady amin’ny herisetra ihany koa ny « Brigade féminine de Proximité » (BPF), eo anivon’ny polisim-pirenena malagasy hatrany. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2017 no napetraka ity sampan-draharaha ity, izay mandray an-tanana ireo trangana herisetra maro isan-karazany, amin'ny alalan'ny fanoroana hevitra sy fanentanana indrindra indrindra. Miara miasa ny BFP sy ny PMPM, ka ity farany no mandray an-tanana ny fitorohana, na fitoriana mahakasika ny trangana herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny vehivavy, ny herisetra ao an-tonkatrano ary ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Raha ny tatitra nataon’ny BFP tamin’ny faran’ny herinandro teo dia trangana herisetra miisa 8 468 no noraisin’ity sampan-draharaha ity an-tanana nandritra ny taona 2023, ka ny 639 amin'ireo no nalefa teny amin'ny PMPM.

Lire la suite

Articles Similaires