• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mada Sakafo
Image
Vaovao

Fodiamandry : Lavo ny andrarezin’ny haify malagasy, Mariette Andrianjaka

28/11/2023 10:52 © Moov.Mg

Nindaosin’ny fahafatesana omaly 27 novambra 2023 ilay mpahandro sakafo malagasy miavaka : Mariette Andrianjaka. Isan’ny tena nahafantarana azy ny nitahirizany ny fomba fikarakarana ny hanimpitoloha fahampanjaka.

50 taona nikarakarana sakafo malagasy

Tsy azo ihodivirana izany Mariette Andrianjaka izany, raha vao lakozia malagasy no resahina. 50 taona mahery no nilomanosany tao anatin’ny fikarakarana sakafo sy nampahafantarany, teto an-toerana sy tany ivelany, ny momba ny haitsiro malagasy. Nahafinaritra azy rahateo ny nanokatra ny varavaran’ny tranony, ho an’ireo liana tamin’ny nahandro malagasy. Amin’ny ankapobeny dia ny « Tatao », na « Hanimpitoloha » hatrany no narosony, mba hianohan’ireo vahininy ny tena tsiro malagasy. Isan’izany, ohatra, ny vorombe sy henan-kisoa, ny amalona sy henan-kisoa, ny varanga, ny henan’omby ritra, ny henan-janak’omby sy tsaramaso, ny ravitoto sy henan-kisoa ary ny romazava. Rehefa misy ireny hetsika ara-tsakafo iraisam-pirenena ireny, dia mazàna no i Mariette Andrianjaka no misolo tena an’i Madagasikara.

Mari-boninahitra sy amboara

Notolorana mari-boninahitra marobe ity vehivavy andrarezin’ny haify malagasy ity, noho ny fisongadinany teo amin’ny fikarakarana nahandro. Izy, ohatra, no hany vehivavy manana ny laharam-boninahitra « Commandeur des Cordons Bleus de France ». Mpikambana ao anatin’ny « Confrérie des Grandes Toques » ihany koa izy, nanomboka ny taona 1985, ary isan’ireo antsoina hoe : « disciple d’Escoffier », ivondronan’ireo mpahay lakozia sangany maneran-tany. Ankoatra izay dia efa nandrombaka amboara ihany koa i Mariette Andrianjaka, toy ny « International Award for gastronomy ». Izy rahateo moa no reny mpiahy ny hetsika « Haify Mampihavana », izay mikendry ny fanandratana ny sakafo malagasy sy ny tantarany.

Mpanamory fiarakodia

Namoaka boky mirakitra fomba fikarakarana nahandro tena malagasy i Mariette Andrianjaka. Hita ao anatin’izany ny « Hanimpitoloha », ny « Varongy mialon-taona » sy ny fomba fikarakarana sakafo hafa, manodidina ny 200 isa. Voasokajy ho vakoka iraisam-pirenen’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO) mihitsy izany sangan’asany izany. Ankoatra ny fanaovana lakozia dia nanan-talenta tamin’ny fanamoriana fiarakodia i Mariette Andrianjaka. Isan’ny nandraisany anjara, ohatra, ny « Rallye Esso » sokajy vehivavy tamin’ny taona 1970, izay nanamoriany Audi 100 LS. Tsara ihany koa ny mahalala fa vady navelan’ilay mpihira nalaza, Ludger Andrianjaka, i Mariette Andrianjaka.

Vehivavy nanana ny maha-izy azy teto amin’ny tany sy ny firenena no nandao, fa ny lova navelany momba ny haify malagasy kosa dia mitoetra.


Copyright Image : © Trésor Public

Lire la suite

Articles Similaires