• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fifanolanana momba ny fifidianana : Fitoriana miisa 9 no voaray, hatreto

27/11/2023 16:17 © Moov.Mg

Antontan-taratasy miisa 9, hatramin’ny 12 ora atoandro teo, no voarain'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), mikasika ny fitoriana momba ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra teo, taorian’ny namoahan’ny CENI ny vokatra vonjimaika.

Hatramin’ny 12 ora alina

Araka ny voalazan’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana dia manana izay zo hitory izay avokoa ny Kandida sy ny solon-tenanany, ny olom-pirenena voasoratra ao anaty lisi-pifidianana ary ireo mpanara-maso ny fifidianana nahazo fankatoavana. Ireo fitoriana miisa 9 voaray ireo anefa dia avy amin’ny Kandida sy ny solontenany ihany, hoy Ranesa Firiana, sekretera jeneralin'ny HCC.

Momba ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana, ary fangatahana fampitahana ny voka-pifidianana navoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny fifidianana (CENI), amin’ny fitanana an-tsoratra eo am-pelatanan’ny Kandida, ireo fitoriana ireo, araka ny fantatra. Mbola manana hatramin’ny 12 ora alina, androany 27 novambra 2023 moa ireo manana antom-pitoriana, eny anivon’ny HCC.

Voahaja ny fe-potoana voafaritra

Raha ny voalazan’ny lalàna hatrany dia 9 andro, taorian’ny namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika, no mamoaka ny voka-pifidianana ôfisialy ny HCC. Efa nanatanteraka ny asany ity andrim-panjakana ity, nanomboka taorian’ny androm-pifidianana ka hatramn’izao, araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneraliny.

Nanamarika ihany koa ity farany fa tsy mainkina amin’ny asa ataon’ny CENI ny ataon’ny HCC, satria mamerina mandrakitra an-tsoratra manontolo ny voka-pifidinana, avy amin’ny alalan’ny antontan-taratasin-datsa-bato voaray avy amin’ny Sampana fanisam-bato eny anivon’ny distrika (SRMV), ny eny Ambohidahy. Efa nilaza rahateo i Florent Rakotoarisoa, filohan’ny HCC, fa ho tratra tsara ny daty voalazan’ny lalàna fa tokony hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy.

Lire la suite

Articles Similaires