• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Léman Horizon Madagascar.Jpg
Image
Vaovao

Tsy fandriampahalemana : Mirongatra indray ny « foroche » any Mahajanga

27/11/2023 14:44 © Moov.Mg

Mitaintaina indray ny mponina ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga, satria dia mirongatra indray ireo andian-jiolahy, zaza tsy ampy taona, fantatra amin’ny anarana hoe : « foroche », any Mahajanga. Ireo tanora mitovy taona amin’izy ireo sy ireo vehivavy miantsena no tena lasibatr’ireto andian’ankizy mpanao ratsy ireto.

Zatovo 15 na 16 taona

Manodidina ny 15 na 16 taona ireto zatovo manao asan-jiolahy ao an-tampotananan’i Mahajanga, Faritra Boeny ireto. Manendaka no tena ataon’izy ireo, ary indraindray dia manao fanafihana ihany koa, hoy ny fampitam-baovao. Sekoly ambaratonga fototra iray izao no notafihan’izy ireo, ka lasan’izy ireo tamin’izany ireo dabilio fipetrahan’ny ankizy. Misy amin’ny vy amin’ireo dabilio no esorin’izy ireo sy amidiny amin’ireo mpividy vy amin’ny kilao. Misy kosa no dabilio iray manontolo mihitsy no amidin’izy ireo amin’ny olon-tsotra. Efa nametraka fitoriana momba ny fandrobana natao tamin’ity sekoly ity ny tomponandraikitra.

Mitombo ny ankizy mpirenireny

Tsy fantatatra mazava ny isan’ireto ankizy mpandroba sy mpirenireny ireto, fa tena marobe, hoy ny fampitam-baoao avy any an-toerana. Tsy fantatra ny toeram-ponenany, tsy mody an-trano izy ireo amin’ny alina, fa matory eny ambany lavarangana, na eny ankalamanjana eny fotsiny. Tsy mianatra ihany koa ireo ankizy voalaza fa « foroche » ireo, fa hita mandehandeha eny rehetra eny. Misy iray tsikombakomba amin’izy ireo ny ray aman-drenin’ny sasany, izay mitango ny vola azon’ireo ankizy avy amin’ny fanafihana ataony amin’ny alina, rehefa tonga ny maraina. Tsikaritra izany eo amin’ny Bazary Mahabibo. Raha ny hita ihany koa dia mitombo ny isan’ny ankizy mirenireny sy mangataka ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga, amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires