• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Urofrance
Image
Vaovao

Fandrindram-piterahana : Mbola matahotra manao « vaséctomie » ny lehilahy

27/11/2023 14:37 © Moov.Mg

Ireo karazana tsaho sy honohono, izay tena mbola manjaka, no isan’ny antony voalohany mahatonga ny vehivavy tsy hampiasa fomba fandrindram-piterahana maoderina, sy mahatonga ny lehilahy sasany sady handrara ny vadiny ny tsy hety hiroso amin’izany ihany koa. Araka izany, mbola mila ezaka be ny fampahafantarana sy ny fanentanana tokony atao eto Madagasikara.

Misy karazany 10

Ny hahatrarana taham-pampiasana fomba fandrindram-piterahana 60% no tanjona napetraky ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, hatramin’ny faran’ity taona ity. Ho tratra io, raha ny tombanan’ny Ministera, satria efa nihoatra ny 50% izany, tany amin’ny volana aogositra. Na izany aza anefa dia mbola ambany ny taham-pampiasana fomba fanabeazana aizana eto Madagasikara. Karazany 10 anefa no misy eto Madagasikara, ny 2 amin’ireo ihany no natokana ho an’ny lehilahy, fa manana safidy malalaka ny vehivavy amin’ny fampiasana ireo 8 ambiny, hoy ny fanazavan’i Nadhie Andrianome, tomponandraikitra eo anivon’ny Marie Stopes Madagascar (MSM) any amin’ny Faritra Boeny.

Be mpisafidy ny tsindrona

Ny fampiasana ny fomba fandrindram-piterahana maharitra no tena voizin’ny MSM. Hatreto mantsy dia ireo miasa ao anatin’ny fotoana fohy, toy ny pilina, no tena safidin’ny vehivavy, raha ny any Mahajanga manokana. Ny tsindrona, izay averina isaky ny 3 volana, no tena be mpisafidy, satria iny no tsy fantatry ny lehilahy, amin’ny ankapony, ho an’ireo vehivavy manana vady sarotiny amin’ny fampiasana fandrindram-piterahana. Tsy mamela marika mantsy ny tsindrona, ankoatra ny mety ho fikorontanan’ny fadimbolana. Ny tsy fahampian’ny fahafantarana momba ireo karazana fomba fanabeazana aizana no mahatonga ny olana, ka ezahan’ny MSM, hoy i Nadhie Andrianome, ny manao fanentanana sy manazava bebe kokoa, indrindra ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny fomba fandrindram-piterahana maharitra.

Tsy misy taham-pahombiazana 100%

Ho an’ny tanora sy ny zatovo manokana dia nanomboka tamin’ny taona 2022 no nihabetsaka ireo mampiasa fandrindram-piterahana. Ny lehilahy kosa dia mbola vitsy, any amin’ny Faritra Boeny, no misafidy ny « vaséctomie », araka ny fanazavan’ity tomponandraikitra ao amin’ny MSM ity. Miisa 5 izany, raha be indrindra, nanomboka ny taona 2019. Manahy mantsy ny lehilahy fa sao ho very ny tanjaky ny taovam-pananahany, raha miroso amin’izany izy. Any amin’ny Faritra Vakinankaratra kosa hatreto no tena betsaka ny lehilahy manao « vaséctomie ». Nanamarika moa i Nadhie Andrianome fa tsy misy ny fanabeazana aizana manana taham-pahombiazana 100%, saingy afaka mahazo antoka kokoa ny olona fa tsy ho tratran’ny vohoka tsy niriana, raha mampiasa izany, noho ny tsy mampiasa. Raha toa ka tsy mety amin’ny toe-batana ilay fomba fandrindram-piterahana nosafidiana, hoy hatrany izy, dia azo atao tsara ny manatsahatra izany sy misafidy fomba hafa.

Lire la suite

Articles Similaires