• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 20 hatramin'ny 26 novambra 2023

27/11/2023 09:54 © Moov.Mg

Araho indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, ny 20 hatramin'ny 26 novambra 2023

Ny vokapifidianana no tena nahaliana ny maro ny nanaraka azy tamin'iny herinandro iny. Tsy adino nefa ireo vaovao maro mikasika ny politika, sosialy toekarena sy koltoraly.

CENI # Vokapifidianana vonjimaika

Nivoaka ny sabotsy 25 novambra lasa teo ny vokapifidianana vonjimaika natolotry ny CENI. Ny kandida Andry Rajoelina moa no lany tamin'izany, tamin'ny taha 58,95%. Miisa roa kosa ireo kandidà nahazo taha mihoatra ny 10% ka hahazo ny vola narotsaka tamin'ny filatsahana ho fidiana (200 millions ariary), dia i Siteny Randrianasoloniaiko (14,40%) sy i Marc Ravalomanana (12,10%). Tsy nisy nanotrona ny fanambarana ny vokatra teny amin'ny CENI Alarobia ireo kandidà, afatsy i Andry Rajoelina.

HCC # Mpamoaka ny vokapifidianana ofisialy

Ny vokapifidianana vonjimaika ihany no anjaran'ny CENI, araka ny lalàna velona eto Madagasikara. Ny fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) araka izany no tompon'ny teny farany amin'ny vokatra ofisialy. Mikirakira ny vokapifidianana ireo mpitsara, sady mitsara ireo fitarainana na fitoriana voaray rehetra. Hatreto aloha, mbola tsy misy daty raikitra mikasika izany. Miankina amin'ny fivoahan'ny vokatra ofisialy no hikarakarana ny fianianan'ny filoha vaovao.

Desambra # Fianianan'ny filoham-pirenena

Raha ny vinavina talohan'ny fifidianana dia ny volana janoary no hanatanterahan'ny filohan-ny repoblika vaovao ny "investiture". Noho ny tsy fisian'ny fihodinana faharoa nefa, mety hiroso ny volana desambra izany. Azo antoka fa herinandro vitsy sisa dia hanana filohan'ny repoblika indray i Madagasikara. Tahaka ny mahazatra, eny Mahamasina no tokony hanaovana ny fianianana, ary azo hatrehan'ny besinimaro izany.

Vokapifidianana # Mangataka fanamarinana i Siteny Randrianasoloniaiko

Andro iray mialoha ny namoahan'ny CENI ny vokapifidianana vonjimaika no nanao fanambarana ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany. Marobe ireo diso amin'ny valim-pifidianana hoy izy ireo. Noho izany indrindra, mitaky "confrontation"-an'ireo PV teny amin'ireo birao fandatsaham-bato rehetra izy ireo. Manahy hala-bato sy tsy fahamarinan'ny fikirakirana rehetra i Siteny Randrianasoloniaiko.

Oniversiten'Antananarivo # Tsy mbola milamina

Tsy tomombana ireo fepetra hamitana ny taom-pianarana 2022-2023 eny amin'ny anjerimanontolo eny Ankatso. Somary nanahirana iny herinandro iny satria voaantso sady voatazona tany amin'ny mpitandro filaminana, sampana heloka bevava ny filohan'ny SECES sy ny filohan'ny randrana sendikaly. Samy arahi-maso ara-pitsarana izy roalahy ireo rehefa navela namonjy fodiana. Andrasana ny tohin'ny raharaha. Etsy ankilany, namoaka fanambarana ny ministeran'ny Fampianarana Ambony fa tapitra ny taom-pianarana ho an'ny ankamaroan'ny Oniversitem-panjakana, ka anisan'izany ny eny amin'ny IST.

Andohanimandroseza # Mpanao afera sa jiolahy ?

Mbola maha-be resaka ny maro hatreto ny zava-nisy teny Andohanimandroseza, izay nahafatesana lehilahy miisa 5. Mpiasam-panjakana ambony ny iray tamin'izy ireo, ary nitondra fiaram-panjakana ny andro nanenjehana azy. Raha ny nambaran'ny mpitandro ny filaminana dia jiolahy izy ireo. Nahatratrarana fitaovam-piadiana sy vola tanatin'ilay fiara. Ireo fianakaviana kosa nefa dia manizingizina fa tsy jiolahy velively ireny notifirina ireny.

Loi de Finances 2024 # Miakatra ny tetibola ho an'ny Fampianarana

Hahazo tombony manokana ireo mpampianatra amin'ny taona 2024. Voarakitra ao anaty "Loi de Finances 2024" mantsy fa hisy fampiakarana ny "indemnité de logement" ho an'ireo mpiasa rehetra misehatra amin'ny fampianarana. Marihana fa 14 000 ariary no voarain'ny mpampianatra tamin'ity taona 2023 ity. Maniry ireo syndika isan-tokony mba hisian'ny fampiakarana mahafapo, manoloana ny fahalafosan'ny hofantrano amin'izao fotoana izao.

Letchi # Efa miparitaka eny an-tsena

Ny 21 novambra lasa teo no nisokatra ny taom-piotazana letchi ho an'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Tsy ela akory fa tamin'io andro io ihany dia efa tonga teto Antananarivo ny vokatra. Maro ireo mpivarotra letchi eto afovoan-tany ka 1500 hatramin'ny 2000 ariary no ivarotana ny kilao. Milatsaka aza ny vidiny rehefa harivariva iny. Marihana fa 1300 ariary no angalana ny letchi any amin'ny mpamokatra.

Antananarivo # Maloto ny rivotra

Mamely ny gripa mahery tato ho ato. Izay voany dia reraka be sady mamindra amin'ny manodididina azy. Maro ireo toerana efa tsy maintsy anaovana arovava indray. Noho ny fahalotoan'ny rivotra no tena anton'izany. Tsy mety milatsaka mantsy ny orana.
Raha ny tamin’ny talata 21 novambra teo izao, tamin’ny 6 ora hariva, dia nahatratra 450 µg/m³ ny tahan’ny singa madinika PM 2,5 any anaty rivotra. Avo 30 heny amin’ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) izany ny fahalotoan'ny rivotra.

Toamasina # Mitohy ny fanadiovana tsena isan-kerinandro

Miara-miasa ny kaominin'i Toamasina sy ny mpamonjy voina, amin'ny fanadiovana ny tanàna. Misy ny fanadiovana manokana ny tsena rehefa alahady hariva. Tifirina ranobe ny toerana mba hampiala ireo loto isan-karazany, hamantanan'ireo mpivarotra tsena madio isaky ny alatsinainy. Antenaina fa mbola hitohy hatrany izany fanadiovana izany.

Toliara # Olona 6 maty voapoizina

Nitrangana fanapoizinana vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina misy poizina tany Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Olona miisa 6 no tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana hazan-dranomasina. Vehivavy ny 5 amin’ireo, ka bevohoka ny iray. Zazakely 9 volana kosa ny iray hafa. Araka ny fampitam-baovao dia karazana hazan-dranomasina antsoina hoe : lintotse sy amboramasaky no nohanin’ireto olona ireto, ka nitarika tsy fahasalamana tahaka izao.

Lire la suite

Articles Similaires