• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Vokapifidianana filoham-pirenena 2023 : Ny HCC no tompon'ny teny farany

26/11/2023 06:00 © Moov.Mg

Omaly, 25 novambra, no namoahan'ny CENI ny vokapifidianana vonjimaika. Ny kandida Andry Rajoelina no lany filoham-pirenena tamin'izany.

Herinandro monja dia vitan'ny CENI ny nikirakira ireo vokapifidianana manerana ny Nosy. Niasa avokoa na kodiarandroa na fiara na fiaramanidina tamin'ny fanangonana ireo "bulletin unique" tanaty vata mihidy sy ireo PV. Nivoaka indroa na in-telo isan'andro ny fironam-bokatra, izay nahafahan'ireo olom-pirenena rehetra nahafantatra mialoha izay mety ho lany.

Tsy misy fihodinana faharoa

58,95% ny tahan'ny mpifidy an'i Andry Rajoelina. Ny tenany araka izany no hahazo indray ny lakilen'Iavoloha. Ny kandida nanaraka azy, laharana fararoa, izany hoe Siteny Randrianasoloniaiko dia nahazo taha 14,40%. Tsy tokony hisy intsony izany ny fihodinana faharoa satria efa mazava ny fandresen'ny kandida Andry Rajoelina.
Tsara ny manamarika fa na nanaraka ireo fepetra rehetra aza ny CENI, vonjimaika ihany izany vokatra izany, araka izay voalazan’ny andininy faha-198 ao amin’ny Lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018. ny HCC ihany no tompon'ny fanapahan-kevitra farany. Mikirakira vokapifidianana mantsy ireo mpitsara, sady mandinika ireo fitoriana voaray.

Tsy nisy nanotrona ireo kandida maro an'isa

Ny kandida Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy ihany no tena nanotrona ny fanambarana ny vokapifidiana vonjimaika teny amin'ny foiben'ny CENI Alarobia. Tsy tonga ireo kandida roalahy nanatanteraka fampielezan-kevitra. Ireo kandida mivondrona moa dia efa tsy miherika mihitsy raha vao fifidianana no resaka.

Ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko moa dia mangataka "confrontation"-an'ireo PV voaray, satria nijery ifotony ny vokatra ny ekipany ny 24 novambra lasa teo. Mbola mampanahy ny filaminana ara-politika eto Madagasikara, noho ny tsy faneken'ireo mpanao politika fanta-daza maro ny vokapifidianana.


Copyright Image : © CENI

Lire la suite

Articles Similaires