• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unfpa
Image
Vaovao

Ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy : Andalam-pamolavolana ny fandaharan’asa « Spotlight Initiative 2.0 »

23/11/2023 16:34 © Moov.Mg

« Isika rehetra : mirotsaka an-tsehatra ho fisorohana ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy ». Io no lohahevitra eran-tany entina manamarika ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, amin’ity taona 2023 ity.

Firotsahana an-tsehatry ny olom-pirenena

Azo sokajiana ho efatra ny karazana herisetra, amin’ny ankapobeny : ny herisetra ara-batana, toy ny fikasihan-tanana ; ny herisetra ara-nofo, toy ny fanolanana ; ny herisetra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, toy ny fanambaniana sy ny fandrahonana ; ary ny herisetra ara-bola, toy ny tsy famelana ny vehivavy hanana fidiram-bola. Sehatra maro no isehoan’ireo karazana herisetra ireo : ao an-tokantrano, any an-tsekoly, eny an-dalam-be, any amin’ny toeram-piasana… Tanjona nametrahana ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra (16 jours d’activisme) ny hanentanana ny tsirairay hisoroka ny herisetra amin’ny endriny rehetra. Amin’ity taona ity dia amporisihina manokana ny firotsahana an-tsehatry ny olom-pirenena rehetra, mba haneho finiavana hamongotra ny herisetra mifototra amin’ny Miralenta. Entanina ihany koa ireo mpisehatra rehetra, mba hitondra fanazavana momba ireo hetsika ataony ho fisorohana ny herisetra.

Antontan’isa mampivarahontsana

Araka izany dia nitondra fanazavana bebe kokoa tamin’ny mpanao gazety androany, ny rafitry ny Firenena Mikambana miisa telo, dia ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), Ny masoivohon'ny Firenena Mikambana momba ny Asa (ILO) sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Isan’ny nivoitra tamin’izany ireo antontan’isa mampivarahontsana, momba ny trangana herisetra misy eto Madagasikara. Ohatra amin’izany : efa niharan’ny herisetra ara-batana avokoa ny 29,4%-n’ny vehivavy eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana (EDS) tamin’ny taona 2021. Araka io fanadihadiana io hatrany dia efa niharan’ny herisetra ara-nofo ny 13,7%-n’ny vehivavy. Tafiditra ao anatin’ny herisetra ihany koa ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy tsy ampy taona. Ny 30%-n’ny ankizy no nanambady talohan’ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana MICS 2018.

Fampandraisana andraikitra ny lehilahy

Na eo aza ireo ezaka mbola tokony hatao ho famongorana ny herisetra, dia betsaka ihany koa ny efa vita ary nahitam-pahombiazana, araka ny fanazavan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara. Isan’izany ny fananganana vondrona lehilahy miady amin’ny herisetra, mba hampandraisana andraikitra ireo lehilahy, ka hahafahany manentana ireo mitovy aminy amin’ny fisorohana ny herisetra. Eo koa ny fananganana ilay rafitra eo anivon’ny polisim-pirenena antoina hoe : « Brigade féminine de proximité », izay manampy betsaka amin’ny fanentanana sy amin’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy sy ankizivavy niharan’ny herisetra. Eo an-dalam-pamolavolana kosa ny fametrahana ilay fandaharan’asa « Spotlight Initiative 2.0 », izay ametrahana ny famongorana ny herisetra mahazo ny vehivay sy ny ankizy ho lohalaharana, ao anatin’ireo ezaka rehetra hampitovian-jo ny lahy sy ny vavy ary hampahaleovan-tena ny vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires