• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tourisme De L'Est
Image
Vaovao

Fiotazana letisia : Hanamora ny fivezivezen’ireo mpanangom-bokatra ny Faritra Analanjirofo

23/11/2023 16:20 © Moov.Mg

Tsara ny vokatra letisia any amin’ny Faritra Analanjirofo tamin’ity taona ity, raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa. Tsy maharaka, noho izany, ireo mpanangom-bokatra mahazatra sy ireo mpanondrana.

Tsy zakan’ny fanondranana
Noho ny fahombiazan’ity taom-pamokarana letisia ity dia tokony hahay hanararaotra ny hatsaran’ny vokatra niakatra ny mpanangom-bokatra sy ny mpambpoly, hoy ny talem-paritry ny varotra Analanjirofo, RAJAONARISON Adonia Denisse, nandritra ny lanonam-panokafana ny tsenam-barotra letisia, omaly. Niantso ireo mpandraharaha mpanangom-bokatra, avy any amin’ny Faritra hafa manerana ny Nosy, ity tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny Varotra ity, izay vonona ny hividy ny letisia any amin’ny Faritra Analanjirofo. Nambarany tamin’izany fa vonona ireo manam-pahefana isan-tsokajiny any an-toerana ny hanamora ny fivezivezen’ireo ho avy hanangona izany vokatra izany. Tsy ho zakan’ny fanondranana avokoa mantsy ny vokatra miakatra amin’izao fotoana, araka ny nambarany.

Hitobaka amin’ny tsena anatiny
Nanamafy izany ihany koa Ny Dr Randriamanantena Marcellin, Goverinoran’ny Faritra Analanjirofo. Betsaka, hoy izy, ny vokatra letisia tamin’ity taona ity, ka ampahany no haondrana mankany ivelany, fa atobaka amin’ny tsena anatiny avokoa ny ankamaroany. Efa misy rahateo ny fifanarahana iraisam-paritra momba ny fiotazana ny vokatra letisia, mba tsy hisian’ny tamberim-bidy mihoa-pampana misakana ny fanangonam-bokatra sy ny fandefasana izany any amin’ny Faritra hafa rehetra ivelan’Analanjirofo. Etsy an-daniny, namporisika ny amin’ny hambolen’ireo mponina vokatra ho hanina ihany koa ny Goverinora. Mitontongana mantsy ny fari-piainan’ny mponina any Analanjirofo rehefa milatsaka ny vidin’ny vokatra fanondrana toy ny letisia, ny jirofo sy ny lavanila. Hanampy ireo mponina amin’ny fiatrehana ny andavanandrom-piainana ny fananana vokatra azony ampiasaina ao an-tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires