• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Infocom Seg
Image
Vaovao

Hetsika « Lopingo » : Hamongorana ny asan-dahalo any Menabe, Bongolava ary Melaky

23/11/2023 16:18 © Moov.Mg

Faritra Telo eto Madagasikara no tena anjakan’ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao, dia ny any Menabe, Bongolava ary Melaky. Ny halatr’omby no tena tranga mateti-piseho amin’izany. Nanapa-kevitra ny hanao hetsika ho famongorana izany ny mpitandronan’ny filaminana mivondrona ao amin’ny EMMO-NAT.

Dahalo manao andiany maro

Vao nitrangana asan-dahalo tany amin’ny Faritra Melaky, omaly 22 novambra. Araka ny fampitam-baovao dia dahalo niisa 60 nirongo fitaovam-piadiana, no nangalatra omby 20 isa, tao Tsiazonaloka, fokontany Ambavaninara, kaominina Marotsialeha, disitrikan'Ambatomainty. Nisy ny fifandonana rehefa natao ny fanarahan-dia, ka matin’ny mpitandro ny filaminana ny 15 tamin'ireo dahalo raha nisy am-polony kosa ireo naratra. Olona iray tamin’ireo mpanara-dia ihany koa no matin’ireo dahalo, nandritra izany. Vao nisy trangana asan-dahalo ihany koa tany amin’ny Kaominina Ankilivalo, Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe, izay nahaverezana omby maherin’ny zato isa. Nolazain’ny fampitam-baovao fa vehivavy am-polony ihany koa no nalain’ny dahalo an-keriny nandritra izany.

Hetsika hamerenana ny fandriampahalemana

Santionany amin’ireo trangana halatr’omby nitranga tany amin’ireo Faritra telo mafampana amin’ireo asan-dahalo, ireo notantaraina ireo. Mba hiadiana amin’izany, dia nanapa-kevitra ireo Polisim-pirenena, Tafika Malagasy sy Zandarimariam-pirenena mivondrona ao amin’ny EMMO-NAT, fa hanatanteraka hetsika nampitondraina ny anarana hoe : « Lopingo ». Mpitandro ny filaminana maherin’ny 200 avy amin’ny vondrona manokana avy eto Antananarivo no haparitaka, hanampy ireo efa manao ny hetsika any amin’ireo Faritra telo ireo, araka ny fanazavan’ny jeneraly Andry Rakotondrazaka, mpitarika ny EMMO-NAT sady kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena. Natomboka androany ity hetsika Lopingo ity, ka tanjona ny hamerenana amin’ny alaoniny ny fandriampahalemana. Tsy hijanona amin’ireo Faritra 3 ireo ihany anefa ny hetsika, fa hiitatra amin’ny Faritra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires