• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Courroie Distribution
Image
Vaovao

Loton’ny rivotra eto Antananarivo : avo 30 heny amin’ny fenitra napetraky ny OMS

23/11/2023 10:54 © Moov.Mg

Nanambana nilatsaka ny orana androany maraina teto Antananarivo renivohitra, saingy tsy nahavanona, fa nijanona ho erikerika madinika ihany izany. Izany tsy filatsahan’ny orana izany dia manome vahana ny loto eny amin’ny rivotra.

Singa madinika

Andro vitsivitsy tokoa izay no efa tsy nisitraka orana intsony Antananarivo. Vokatr’izany dia niverina indray ny setroka ateraky ny loto. Raha ny tamin’ny talata 21 novambra teo izao, tamin’ny 6 ora hariva, dia nahatratra 450 µg/m³ ny tahan’ny singa madinika PM 2,5 any anaty rivotra, araka ny fanaraha-maso nataon’ny INDRI, izay misehatra amin’ny fampiroboroboana sy ny famerenana amin'ny laoniny ny voahary sy ny zava-man’aina eto Madagasikara (Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation). Ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara ihany koa dia namoaka, tamin’io andro io, fa niharatsy ny kalitaon’ny rivotra iainana teto an-drenivohitra, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Raha io tahan’ny singa madinika PM 2,5 navoakan’ny INDRI io, dia avo 30 heny amin’ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) izay mametraka ny taha ho 15 μg/m3 ao anatin’ny 24 ora.

Nirotsaka mialoha ny orana

Tamin’ny 11 ora alina, tamin’io andron’ny talata io, dia mbola nahatratra 200 µg/m³ ny tahan’izany singa PM 2,5 izany, izany hoe : avo 13 eny amin’ny fenitry ny OMS. Raha ny nambaran’ny INDRI dia ny doro tanety no tena fositra amin’izao fahalotoan’ny tontolo iainana eto an-drenivohitra izao. Tsikaritra mantsy fa nirotsaka mialoha ihany ny orana, tao anatin’ity vanim-potoanan’ny fahavratra ity. Nampalefaka ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra izany, raha oharina amin’ny taona lasa. Rehefa tsy avy anefa ny orana, dia manararaotra mandoro tanety ny olona ary tonga aty an-drenivohitra ny setroka. Manampy trotraka izany ny fahalotoana efa misy mandavan-taona, vokatry ny setroky ny fiara, ny orinasa mamoaka setroka, ny fandorana fako...

Mitaky fandraisan’andraikitra

Miteraka voka-dratsy maro ho an’ny fahasalamana ny fahalotoan’ny rivotra iainana. Tena kely dia kely mantsy ny singa PM 2,5, ka afaka miditra lalina anatin’ny havokavoka sy ny lalan-drà. Mety hiteraka aretin’ny taovam-pisefoana ary aretin’ny fo sy ny lalandra izany. Ireo olona marefo, toy ny zazakely sy ny vehivavy bevohoka no tena voa mafy vokatr’izany. Manoloana izany zava-doza izany dia manao antso fandraisana andraikitra amin’ny rehetra, fa indrindra ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny INDRI, ka hanao famakafakana lalina ny zava-misy ary hanao izay rehetra azo atao mba hampihenana ny anton’izao fahalotoana izao. Takian’izy ireo koa ny hampandrenesana ny mponina, rehefa tena miakatra be ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ary koa ny hanajanona ny hetsika ara-panatanjahantena any an-tsekoly. Nampitandrina moa ny INDRI fa mety haharitra andro vitsivitsy hatramin’ny fiverenan’ny orana io loton’ny rivotra io.

Lire la suite

Articles Similaires