• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fambolen-kazo : 78.000 ha no velaran-tany voavoly ho an’ny taona 2023

22/11/2023 15:45 © Moov.Mg

Nihoatra tamin’ny tanjona napetraka ny tany voavoly zanakazo teto Madagasikara tamin’ity taona ity. Raha 75.000 ha mantsy no tanjona dia velaran-tany 78.000 ha no voavoly, nandritra ny taom-pambolen-kazo farany teo. Fantatra izany nandritra ny fitsidihana ny tanin-janakazo midadasika (pépinière géante) an’ny fitaleavam-paritry ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy eny Nanisana, nataon’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny solontenan’ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD).

Zanakazo isan-karazany

Tamin’ny taona 2022 no natomboky ny fitondram-panjakana ny fametrahana ny tanin-janakazo midadasika, manerana ireo Faritra rehetra eto Madagasikara ary mbola mitohy hatrany ny fanitarana izany. Ity tanin-janakazon’ny Faritra Analamanga ity manokana dia mamokatra zanakazo maherin’ny 1 000 000 isan-taona. Noezahin’ireo teknisianina mba hamaly ny filàna rehetra ireo karazany vokarina ao, toy ny zanakazo haingam-paniry, ny zanakazo fihinam-boa, ny zanakazo ahazoana voly fanondrana ary koa ireo manatsara ny endriky ny tanàna, toy ny renala sy ny « flamboyant ». Efa dingana iray amin’ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny fametrahana ity tanin-janakazo ity, raha ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, VINA Marie-Orléa.

Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Sady filamatra no manaraka ny fenitra ity tanin-janakazo ity ary miteraka asa ho an’ny mponina ihany koa ny fisiany, hoy ny Minisitra sy ny solontena maharitra lefitry ny PNUD eto Madagasikara, Andriamatoa Jean François Dubuisson. Ny PNUD moa dia nanome tan-tsoroka goavana tamin’izao tetikasa izao. Ny fanohanana tamin’ny fanitarana ny tanin-janakazo midadasika no tena nimasoany, mba hahazaka zanakazo 400.000 isa fanampiny isan-taona ity toerana ity, araka ny fanazavan’ny Solontenan’ity rafitry ny Firenena Mikambana ity. Mbola hojerena ihany koa ny fomba hanitarana ny tohana ataony, amin’ireo tanin-janakazo midadasika miisa 23 any amin’ny Faritra hafa. Asa manan-danja ao anatin’ny fampandrosoana maharitra izao, hoy i Jean François Dubuisson, satria isan’ny miantoka ny fampandrosoana ara-toekarena, ary koa manampy amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires