• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Seces Antananarivo
Image
Vaovao

Oniversiten’Antananarivo : Hanatsahatra ny fampianarana indray ny SECES

21/11/2023 19:42 © Moov.Mg

Oniversiten’Antananarivo : Hiverina hitokona indray ireo mpampianatra sy mpikaroka

Tsy mety milamina ny toe-draharaha eny anivon’ny anjerimanontolon’Antananarivo. Raha efa nikasa ny hiverina hampianatra mantsy ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny Sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES, sampana Antananarivo, tamin’ny zoma lasa teo, dia nanapa-kevitra ny hiverina hitokona indray izy ireo, taorian’ny fivoriam-be notontosaina androany.

Tapaka karama

Ho firaisam-po amin’ireo mpampianatra naman’izy ireo, izay tapaka karama, no anton’izao fampiatoana ny fampianarana eny Ankatso izao indray. Miisa telo izy ireo, araka ny fantatra, no niharan’izany fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana izany. Sokajian’ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny SECES ho tsy ara-dalàna mantsy izao tranga izao, satria, tokony handalo ambaratongam-pahefana, hoy izy ireo, ny fanapahana karama. Tsy ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mivondrona ao amin’ny SECES ihany koa, no tondroin’izy ireo ho voatohintohina amin’izao fanapahan-kevitra izao, fa ny fianakaviamben’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite mihitsy.

Miantso firaisan-kina

Misy amin’ireo sampam-pampianarana sasany anefa efa no nanomboka fanadinana omaly alatsinainy, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny zoma lasa teo, fa hanohy sy hamarana ny fampianarana ireo mpampianatra. Miantso azy ireo hanatsahatra izany fampanaovana fanadinana izany ny SECES Sampana Antananarivo renivohitra, izay hany miroso amin’ny fampiatoana ny fampianarana aloha hatreto. Miantso ireo mpampianatra mpikambana ao anatin’ny SECES manerana ny Nosy mihitsy aza izy ireo, mba haneho firaisan-kina amin’izao zava-mitranga izao. Etsy an-daniny dia nampahafantatra ihany koa ny SECES fa voaantso eny amin’ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena etsy Fiadanana ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires