• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanabeazana aizana : Afaka mampiasa azy ny zatovo raha vao maoty, hoy ny Rasazy

21/11/2023 16:00 © Moov.Mg

Miantoka ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny asan’ny mpampivelona. Ho an’ny any ambanivohitra aza dia tena maka ny toeran’ny dokotera mihitsy ny Rasazy, ka izy no manao ny fizaham-pahasalamana eny amin’ireny tobim-pahasalamana fototra (CSB) ireny. Rasazy SPO, na mandeha irery manatona vahoaka (Single Provider Outreach) i Faliharisoa Tatienne Winna, miasa any amin’iny faritra Boeny iny. Mitantara ny fomba fanatanterahany ny asany izy.

Inona no tena asan’izany Rasazy SPO izany ?

Efa Rasazy niasa tamin’ny dispansera aho talohan’ny taona 2019, nandraisan’ny Marie Stopes Madagascar ahy ho SPO. Toy ny asan’ny Rasazy rehetra : mampisafo, mampiteraka, manome tolotra momba ny fandrindram-piterahana…

Inona izany no tena mahasamy hafa ny Rasazy SPO amin’ireo miasa amin’ny CSB ?

Matetika dia toerana lavitra andriana no iasana. Izany Mitsinjo izany, ohatra, dia nandehanana an-tongotra hatrany amin’ny 32 km. Nisy fotoana, nipoaka mihitsy ny tongotra. Indraindray mantsy maty ny taksibrosy, nefa ny olona any an-tanàna any efa miandry, dia tsy maintsy tohizina ny dia. Indraindray mba misy ireny namana miasa amin’ny “projet” ireny, dia mba afaka ihany ny lalana. Na tamin’izaho bevohoka aza dia mbola nandeha sarety ihany. Na lavitra sy manahirana aza ny lalana dia tsy azo avela fotsiny ireo “sites” iasana fa tsy maintsy iverimberenana isaky ny telo volana, mba ho fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo mponina.

Manahoana ny fandriampahalemana amin’izany lalan-tsarotra izany ?

Indraindray tokoa dia mandeha faritra mena, tamin’izaho niasa tany amin’ny Faritra Betsiboka, ohatra, eo anelanelan’i Manerinerina sy Ambondromamy. Fa mbola tsy nisy loza nahazo ahy aloha. Ny fomba fifandraisana aman’olona no heveriko fa antony. Rehefa mahay mifampiresaka tsara amin’ny mponina ianao dia tsy misy mahasahy manao ratsy. Ianao aza tonga manampy azy. Izaho rahateo koa tia manatona aolona sy tsy miaingitraingitra, mihinana izay hanin’izy ireo… Dia raisin’izy ireo tsara.

Inona no antony nisafidiananao ity asa ity ?

Tiako ny manampy olona, tiako ny manatona tanora. Izaho mihitsy no miantso sy miresaka, ohatra, rehefa mahita tovovavy mitaiza kely eny an-dalana, na any anaty taksibrosy any. Indraindray, hita mihitsy fa tena sahirana, dia toroako hevitra hampiasa fandrindram-piterahana. Manome torohevitra foana mihitsy aho ary tsy manavaka na lehilahy na vehivavy. Ny lehilahy mantsy, mety tsy liana mivantana amin’ny fanabeazana aizana, fa manam-bady izy ary manan-janaka ihany koa, ka tokony hahalala.

Misy olona ve tsy manaiky ny hiresahana momba ny fandrindram-piterahana ?

Misy tomponandraikitry ny sekoly tsy manaiky hiresahana momba ny fanabeazana aizana eo amin’ny faritry ny sekoly iadidiany. Fa rehefa afaka miresaka momba ny firaisana ara-nofo voaaro, amin’ireo ankizy mpianatra aho, dia efa zava-dehibe izay. Ny finoana no sakana indraindray, fa raha aty amin’ny Faritra Boeny aloha dia tsy misy fomba amam-panao mandrara ny fampiasan’ny olona fomba fandrindram-piterahana. Misy aza, ny ray aman-dreny no mamporisika ny zanany, rehefa mahita fa efa mieritreritra “sipa” ny ankizy.

Fa manomboka firy taona ny ankizivavy no afaka mampiasa fanabeazana aizana ?

Rehefa miditra ao anatin’ny taonan’ny fahamaotiana dia efa mety. Misy ankizivavy izay izao, 9 taona izy, mianatra amin’ny sekoly fanabeazana fototra (EPP), fa efa “mahalala lehilahy”. Aleo aza ny zatovo miroso amin’ny fampiasana fandrindram-piterahana, toy izay izy ho bevohoka sahady, nefa ny taovany mbola tsy vonona ho amin’izany. Raha ny hitako tany Ambato Boeny sy eto Marovoay dia manomboka eo amin’ny 12 na 13 taona ny zatovovavy aty amin’ny Faritra Boeny no manomboka mampiasa fandrindram-piterahana, satria efa miditra amin’ny firaisana ara-nofo.

Ahoana no fomba andresenao lahatra ireo misalasala ?

Hazavaina aminy ny lafy ratsin’ny fiterahana aloha loatra sy ny lafy tsarany, raha mahay mitandrina izy ireo mandrapahavitan’ny fianarany. Omena ohatra mivantana amin’izay hita eny amin’ny fiarahamonina izy ary omena safidy : kely miteraka dia mety hijaly ao an-tokantrano, sa hisoroka ny vohoka tsy iriana dia tafita amin’ny fianarana ? Misy azo isafidianana rahateo ireo fomba fandrindram-piterahana, ka tokony samy hahita izay mifanaraka amin’ny toe-batany.

Lire la suite

Articles Similaires