• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actufr
Image
Vaovao

Fanafody antibiôtika : Mihamitombo ny isan’ny olona tsy andairany

21/11/2023 11:42 © Moov.Mg

Amidy eraky ny tsenakely, na an-drenivohitra na ambanivohitra, ireo fanafody heverina ho « mahazatra » eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny antibiôtika. Tsy tokony ho azo ampiasain’ny olona anefa ity karazam-panafody ity, raha tsy nahazoana taratasy avy amin’ny mpitsabo.

Tohitra ody aina bitika

Ny fanentanana momba ny tsy tokony hanaovana dokotera tena, ka ialana amin’ny fampiasana antibiôtika fahatany, no isan’ny antony nametrahana ny « herinandro maneran-tany ho an’ny tohitra ody aina bitika » (semaine mondiale sur l’antibiorésistance). Isan-taona, manomboka ny 18-n’ny volana novambra ka hatramin’ny 24 novambra no daty napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambna misahana ny Fahasalamana (OMS) hanamarihana izany. Olan’ny Fahasalamam-bahoaka goavana ny tohitra ody aina bitika, araka ny nambaran’ny OMS. Rehefa ampiasaina fahatany mantsy ny mpanohitra otrikaretina na antibiôtika dia lasa tsy mandaitra intsony ho an’ny vatana efa diso zatra azy loatra.

Miantraika amin’ny tontolo iainana

Mampitombo ny fihanahan’ny otrikaretina ny tsy fandairan’ny antibiôtika, ka mampirongatra ny taham-pifindran’ny aretina. Izany no antony mety hitarika famoizan’ain'olona maro. Noho izany dia lasa voatery mampiasa fanafody mpanohitra otrikaretina mahery vaika sy lafo vidy ny marary ary mety haharitra be ny fotoana hitsaboana azy. Misy fiantraikany any amin’ny lafiny ara-toekarena ihany koa izany, satria tsy afa-mamokatra mandritra ny fotoana ela ilay olona. Tsy mijanona eo amin’ny olombelona fotsiny ny fahavoazana aterak’izany, satria ny otrikaretina tsy laitram-panafody dia mety hanimba ny biby sy ny zava-maniry ihany koa, izany hoe : ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny mihitsy. Lohahevitra entina manamarika ity herinandro maneran-tany 2023 ity ny hoe : « Isika rehetra miaraka misoroka ny tohitra ody aina bitika ».

Tsy manao dokotera tena

Fanentanana no atao ny amin’ny tokony hanarahan’ny tsirairay an-tsakany sy an-davany ireo toromarika rehetra omen'ny mpitsabo, momba ny fampiasana fanafody, indrindra fa ny antibiôtika. Tokony fadiana ny manao dokotera tena, rehefa tojo tsy fahasalamana, mba hisorohana ny tohitra ody aina bitika. Tsy mitsahatra miakatra mantsy ny isan’ny olona tsy andairana fanafody mpanohitra otrikaretina intsony, araka ny nambaran’ny OMS. Vokatr’izay dia lasa mahery vaika kokoa ny fitrangan’ireo aretina efa misy, toy ny kohadavareny sy ny tazomoka. Olona miisa 4,1 tapitrisa no ahiana hamoy ny ainy aty Afrika, hatramin’ny taona 2050, raha mbola mitohy ny fampiasana antibiôtika tsy araka ny tokony ho izy.

Lire la suite

Articles Similaires