• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fihinanana hazan-drano misy poizina : olona 6 nahiditra hôpitaly any Toliara

20/11/2023 15:26 © Moov.Mg

Nitrangana fanapoizinana vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina misy poizina tany Toliara, faritra Atsimo Andrefana, omaly alahady 19 novambra. Tsaboina ao amin’ny hôpitaly Be Tanambao ireo olona marary vokatr’izany.

Vehivavy sy zazakely

Olona miisa 6 no tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana hazan-dranomasina, na ICAM, tany Toliara, Faritra Atsimo Atsinanana. Vehivavy ny 5 amin’ireo, ka bevohoka ny iray. Zazakely 9 volana kosa ny iray hafa. Araka ny fampitam-baovao dia karazana hazan-dranomasina antsoina hoe : lintotse sy amboramasaky no nohanin’ireto olona ireto, ka nitarika tsy fahasalamana tahaka izao. Tsiahivina fa tranga misy isan-taona eto amintsika ny ICAM, rehefa vanim-potoana mampafana ny andro. Misy foana ihany koa, isan-taona, ny toromarika avoakan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, momba ny fanjonoana, famarotana sy fihinana ireo hazan-drano ahiana hiteraka fanapoizinana.

Maimaim-poana ny fisaboana

Taorian’ity tranga tany Toliara ity dia mbola namerina nanao fampahafantarana sy fanentanana momba ny ICAM ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Tsara ihany ny mahalala fa tsy azo atao ny mivarotra na mihinana ireo taovana trondro vaventy toy ny antsantsa sy ny makomba. Raha sendra mahita azy ireny rendrika dia tonga dia alevina ny taovany fa tsy azo amidy. Tsy fihinana kosa ny lohan’ny karazan-trondro antsoina hoe : ampiny na « sardinelle ». Ary tsy azo atao ny mihaza na mihinana fano, na soka-dranomasina, mandavan-taona. Tafiditra ao anatin’ny biby arovana ity farany, araka ny andininy faha-18 ao amin’ny fehezan-dalana momba ny jono sy ny fiompiana anaty rano 2015-053, tamin'ny 3 febroary 2016. Manomboka ny volana novambra hatramin’ny faran’ny volana aprily no tokony hofadiana ny fihinanana hazan-dranomasina ICAM. Raha sendra tojo fanapoizinana kosa dia maimaim-poana ny fisaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny Fanjakana.

Lire la suite

Articles Similaires