• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Europe 1
Image
Vaovao

Fiarahamonina : Lehilahy ny 77% amin’ireo mamono tena

20/11/2023 11:36 © Moov.Mg

Nomarihina omaly, toy ny isaky ny ny 19 novambra, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny lehilahy. Tsy be mpahalala izy ity, raha mitaha amin’ny andro eran-tany ho an’ny vehivavy, na dia efa nanomboka tamin’ny taona 1999 aza no nankalazana azy.

Fahasalaman’ny vatana sy saina

Ny Dr. Jerome Teelucksingh, mpahay tantara avy ao amin’ny oniversiten’i West Indies any Trinité-et-Tobago, no namorona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny lehilahy. Tanjony tamin’izany ny hampanjaka ilay atao hoe : « masculinité positive », izany hoe : fomba fijery miabo momba ny lehilahy, manoloana ny antsoina hoe : « masculinité toxique », izay hevi-draikitra isan-karazany mety hanimba ny lehilahy. Matetika fandre, ohatra, ny hoe : tokony hampiseho foana ny lehilahy fa matanjaka be ; tsy tena lehilahy izany be fihetseham-po sy be ranomaso izany ; anjaran’ny lehilahy ny miasa mafy mamelom-bady aman-janaka ; ny tena lehilahy dia « mirevy »… Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny sain’ny lehilahy ireo hevi-draikitra sy hevi-dravina ireo.

Tratran’ny fanilikilihana

Araka ny fikarohana dia antony iray mahatonga ny lehilahy ho fohy andro iainana kokoa noho ny vehivavy ireny hevi-diso ireny. Fantatra mantsy fa tsy miraharaha loatra ny fahasalamany ny lehilahy, raha mitaha amin’ny vehivavy. Eo amin’ny lafiny ara-tsaina, dia lehilahy avokoa ny 77%-n’ireo mamono tena. Vokatry ny tsy fitantarana ny olana mianjady aminy no antony, satria matahotra ny vavan’ny fiarahamonina. Vokatry ny tsy faneken’ny fiarahamonina ihany koa, fa manana zo ny ho ketraka sy harefo ny lehilahy. Etsy an-daniny, tsy ny vehivavy ihany no tratran’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, fa ny ankamaroan’ireo lehilahy mampiseho toetra tsy mifanaraka amin’ireo hevi-draikitra momba ny atao hoe : « tena lehilahy », dia mazàna no tratran’ny fanilikilihana. Etsy an-daniny, miantraika amin’ny vehivavy ihany koa ireo hevi-diso, satria lasa mampihatra herisetra ny lehilahy, mba anaporofoana ilay tanjaka takian’ny fiarahamonina.

Azo ovaina ny fomba fijery

Ho an’ity taona ity dia ny fisorohana ny famonoan-tena ataon’ny lehilahy no nifantohan’ny fanamarihana. Raha ny eto Madagasikara manokana dia tsikaritra fa mihamaro tao ho ao ny lehilahy mamono tena. Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy hita soritra ety ivelany fa manana olana, no sady tsy ampoizina ho mikasa ny hamono tena, fa manao izany mangingina. Azo ovaina anefa ny fomba fijerin’ny fiarahamonina. Ny fiheverana miabo momba ny lehilahy dia mandrisika azy ireo hahatsapa, hanaiky ary haneho fihetseham-po, tsy misy tahotra na henatra. Mahatonga azy ireo hanaja sy hanaiky ny fahasamihafana ary koa ny safidin’ny hafa. Rehefa manjaka izany fiheverana miabo izany dia sahy mandray andraikitra sy miady amin’ny tsindry mahazo ny hafa, indrindra ny vehivavy sy ny ankizy, ny lehilahy.

Lire la suite

Articles Similaires