• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Voka-pifidianana filoham-pirenena ny 17 novambra 2023

18/11/2023 05:04 © Moov.Mg

Mitarika hatrany ny kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina. Raha ny fironan'ny vokatra hatreto, heverina fa tsy tokony hisy intsony ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena.

Ny alin'ny 16 novambra no nanombohana nikirakira ny voka-pifidianana, rehefa tanteraka ny fanisam-bato teny anivon'ny biraom-pifidianana rehetra. Eo ho eo amin'ny 12% ny vokatra efa vita "traitement" eo anivon'ny CENI, ka namoahana fironana in-telo omaly 17 novambra. Arakaraka ny fandraisana ny vokatra ihany koa ny fiovan'ny taham-pahavitrihana.
Tsara ny manamarika fa mpiasa manodidina ny 500 no miara-misalahy amin’ny fikirakirana ny vokatra eny amin'ny foiben'ny CENI Alarobia. Miasa 24h/24 izy ireo mba hanafainganana ny fivoahan'ny voka-pifidianana.

Tamin'ny 6 ora sy sasany maraina

BV 1498/27375
Andry Rajoelina : 72,05%. Siteny Randrianasoloniaiko : 10,21%. Marc Ravalomanana : 10, 11%
Taham-pahavitrihan'ny mpifidy : 39,10%
Mpifidy nisoratra anarana : 808 340
Mpifidy nandatsa-bato : 316 025
Vato fotsy : 10 108
Vato maty : 9368
Vato manankery : 295 135


Copyright Image : © CENI

Tamin'ny 9 ora sy sasany maraina

BV 1722/27375
Andry Rajoelina : 72,92%. Siteny Randrianasoloniaiko : 12,10%. Marc Ravalomanana : 9,65%.
Taham-pahavitrihan'ny mpifidy : 39,56%
Mpifidy nisoratra anarana : 932 616
Mpifidy nandatsa-bato : 368 975
Vato manankery : 333 975
Vato fotsy : 21 481
Vato maty : 13 815


Copyright Image : © CENI

Tamin'ny 9 ora alina

BV 3207/27375
Andry Rajoelina 69,56%. Marc Ravalomanana 10,57%. Siteny Randrianasoloniaiko 11,12%
Taham-pahavitrihan'ny mpifidy : 39,10 %
Mpifidy nisoratra anarana : 1 655 699
Mpifidy nandatsa-bato : 647 368
Vato manankery : 613 132
Vato fotsy : 21 030
Vato maty : 13 206


Copyright Image : © CENI

Lire la suite

Articles Similaires