• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipedia
Image
Vaovao

Oniversite Antananarivo : Miverina ny fampianarana

18/11/2023 04:48 © Moov.Mg

Ela ny ela. Manome toky ireo mpampianatra fa hamerina amin'ny laoniny ny fampianarana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo.

Tsy mbola nivaly hatreto ny fitakian'ireo mpampianatra sy mpikaroka eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo. Mba ho fitsinjovana ireo mpianatra nefa, hampianatra indray izy ireo. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany taorian'ny fifampiresahana naharitra teo amin'ireo mpampianatra sy mpianatra. Ho vitaina ny taom-pianarana 2022-2023, ao anatin'ny roapolo herinandro farafahakeliny. Mety hisy fiantraikany amin'ny fandaharam-potoana ho an'ny taom-pianarana 2023-2024 ny fahataran'ny famaranana ny fampianarana.

Etsy ankilany nefa, nanambara ny SECES Antananarivo fa mbola mitohy ny tolona. Mitaky ny hampitsaharana ireo endrika fandrahonana sy ramatahora ary antsojay ihany koa ireo mpampianatra sy mpikaroka.


Copyright Image : © SECES

Lire la suite

Articles Similaires