• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamana ara-pananahana : mitondra vohoka noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana ny zazavavy

17/11/2023 18:12 © Moov.Mg

Tiana, tovovavy 17 taona izy, monina any amin’ny tanàna kely iray any Mahajanga faha-2 any. Tokony mbola hifaly havanja miaraka amin’ireo tanora zazavavy mitovy aminy izy, saingy efa mitaiza kely. Kilasy faha-9 i Tiana no nitoe-jaza. Tsy tena fantany akory fa bevohoka izy, raha tsy teo amin’ny faha-valo volan’ny kibony.

Tranga iray ao anatin’ny maro, amin’ireo zazavavy Malagasy marobe tsy ampy taona tratran’ny vohoka tsy niriana, ny tantaran’i Tiana.

Resaky ny samy tanora

Tia andrakandrana ny tanora, te hahalala zavatra ihany koa, saingy raha ny resaka fananahana dia mbola vitsy no tena sahy miresaka mivantana amin’ny ray aman-dreniny momba izany. Vokatr’izay dia betsaka ny manaonao foana, ka mitondra vohoka tsy fidiny. Rehefa ny samy tanora no miresaka dia misokatra kokoa izy ireo mitantara ary miboraka ho azy ny tsiambaratelo, hoy i Tassmyat Djaanfar Célestine Laguerre, tomponandraikitra ao amin’ny fikambanan’ny tanora International Youth Alliance For Planning Familial (IYAFP). Misehatra amin’ny fanentana sy fanabeazana ny tanora momba ny fanabeazana ara-pananahana ny fikambanana. Nanomboka tamin’ny taona 2020 nijoroan’ny IYAFP tany amin’ny Faritra Boeny dia sekoly miisa 3 no efa notetezin’izy ireo ary tanora mpianatra manodidina ny 240 isa no voaentana.

Lalàna 2017-043

Nandritra ny fidinana ifotony nataon’izy ireo no nahitana fa manomboka eo amin’ny faha-13 taonany ny zatovo, any amin’ny Faritra Boeny, no efa miroso amin’ny firaisana ara-nofo. Izany indrindra, hoy Randrianarison Rinaldi Gaël, tanora tomponandraikitra ao amin’ny IYFP, no antony anaovan’izy ireo adisisika ho fampahafantarana ny lalàna 2017-043, momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana. Maro loatra mantsy ny vohoka aloha loatra ao amin’ny Faritra Boeny, ary misy ihany koa ny fanalan-jaza, araka ny nambarany. Ao anatin’io lalàna 2017-043 io moa dia voalaza fa “Ny zo eo amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana dia zo fototra. Na iza na iza dia tsy azo raràna tsy hisitraka io zo io, izay azony tsy misy fanavahana, na eo amin’ny lafiny taona, ny maha-lahy na vavy, ny fari-pananana, ny lokon’ny volon-koditra, ny finoana, ny foko, ny fanambadiana, na ireo antony hafa rehetra.”

Voalaza ao anatin’io lalàna io ihany koa fa “Ny isam-batan’olona dia manan-jo hahalala sy hahazo fampianarana eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana.” Raha ny eto Madagasikara anefa, indrindra any amin’ny sekoly miankina amin’ny Fanjakana, dia mbola safosafoina ihany ny firesahana ny fananahana any an-tsekoly, fa tsy hidirana lalina. Adisisika isan’ny ataon’ny IYAFP ihany koa, noho izany, ny hampidirana ny fanabeazana ara-pananahna feno (ECS) any an-tsekoly, mba tsy ho ny tsaho no hanjaka, ka hahatonga ny tanora hanaonao foana. I Tiana manokana dia nanapa-kevitra ny hanao fandrindram-piterahana, nanomboka teo amin’ny faha-3 volan’ny zanany. Tsy mbola mieritreritra ny hiteraka mantsy izy, fa maniry ny mbola hanohy ny fianarany, rehefa feno herintaona ny zazakely.

Lire la suite

Articles Similaires