• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Valim-pifidianana : Fironam-bokatry ny CENI tamin'ny 6 ora sy 30mn maraina

17/11/2023 10:24 © Moov.Mg

Birao fandatsaham-bato 1 498 amin'ny 27 375 no efa naharaisan'ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidiananab(CENI) voka-pifidiananana vonjimaika, androany 17 novambra 2023, tamin'ny 6 ora sy sasany maraina.

Raha ny fironam-bokatra hatreto dia 39,10% ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy, tamin'ity fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ity. Miisa 808 340 ireo mpifidy nisoratra anarana tamin'ireo birao fandatsaham-bato ireo, ka ny 316 025 isa tamin'ireo mpifidy no tonga nandatsa-bato.

Niisa 295 135 kosa ny vato manan-kery, tamin'ireo ; 10 108 isa ny vato fotsy ary nahatratra 9 368 isa ny vato maty. Mitarika amin'ny salan'isa 72,06% ny Kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina, raha ity fironam-bokatra farany ity.

Lire la suite

Articles Similaires