• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actus Mada
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : "Tsy terena izay nisafidy ny tsy hifidy"

16/11/2023 16:50 © Moov.Mg

Androany maraina no namita ny adidiny tamin'ny fandatsaham-bato ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina. Efa nahatontosa ny azy ihany ihany koa ny Kandida Raderanirina Sendrison Daniela.

Andry Rajoelina, nifidy teny Ambatobe

Nanodidina ny tamin'ny 9 ora sy sasany tany ho any no tonga teny qmin'ny biraom-pifidianana eny Ambatobe ny Kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina, notronin'ireo vady aman-janany. Taorian'ny fandatsaham-bato nataony dia mbola nanentana hatrany ireo olom-pirenena malagasy rehetra mba hisitraka ny zony, amin'ny alalan'ny fandehanana mifidy izy. Araka ny tsapan'ity filoha teo aloha ity dia efa tonga maro ny olona nanefa izany adidiny izany, ka nisaotra ireo efa nahatontosa ny anjarany izy. Momba ny tsy fandraisan'anjaran'ireo Kandida 10 hafa amin'ny fifidianana, dia nilaza i Andry Rajoelina fa tsy azo terena izay nisafidy ny tsy hifidy.

Raderanirina Sendrison Daniela, nifidy tany Ambositra

Nisafidy ny handray anjara feno amin'ny fifidianana kosa, ary efa nahavita ny adidiny amin'ny fandatsaham-bato, ny Kandida laharana faha-11, Raderanirina Sendrison Daniela. Tao amin'ny Fonkotany Amongy, Kaominina Ambositra voalohany, Faritra Amoron'i Mania, no nisy ny biraom-pifidianany. Vao maraina, tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany tany ho any izy no tonga teny an-toerana. Tsiahivina fa amin'ny 5 ora hariva no hikatona ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny Nosy androany. Raha mbola misy kosa anefa ireo olona milahatra hifidy, na dia efa dila aza io ora io, dia mbola tohizina hatrany ny fifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires