• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Zotram-pifidianana : Misy sehatra napetraka hamahana haingana ny tranga fahasarotana

16/11/2023 16:44 © Moov.Mg

Nametraka tanjona ny hampilamina tanteraka ny tontolo androan'ny androany, fotoana anatanterahana ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ny Fitondram-panjakana sy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI).

Amin’ny ankapobeny dia mizotra am-pilaminana ny fifidianana eny anivon’ireo birao fandatsahambato manerana ny Nosy, araka ny tatitry ny CENI.

Famahana olana ara-potoana

Misy ny sehatra izay ahafahana manao tatitra ara-potoana mikasika ireo tranga sy fahasarotana eny ifotony, napetraky ny CENI. Voalohany amin’izany ny laharana maitso 034 30 810 01, izay azo antsoina maimaim-poana. Ny faharoa dia ny sehatra I-ireport, iarahana miasa amin’ny Safidy mpanara-maso ny fifidianana, izay miparitaka manerana ny Nosy. Araka izany, misy ny tomponandraikitra mandray mivantana ireo olom-pirenena sy ireo mpanara-maso ny fifidianana, mba ho voavaha ara-potoana ireo olana rehetra mety hiseho mandritra ity androm-pifidianana ity. Ny fampitana malaky ny olana any amin'ny CENI mantsy no ahafahan'ireo tomponandraikitra mandray fanapahan-kevitra haingana ny amin’izay fepetra tokony horaisina, mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny latsabato.

Fiarovana ny fitaterana ny valim-pifidianana

Nanamafy ihany koa androany ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police, RANDRIANARISON Fanomezantsoa, fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Araka ny nambarany dia efa nanomboka omaly no efa nametrahana Polisy avokoa ny biraom-pifidianana, mba ahafahan'ny vahoaka mifidy am-pilaminana. Momba ireo biraom-pifidianana miisa 03 nisy nandoro, dia voalazany fa tsy nisy ny fitaovana simba mety hanakana ny fanatanterahana ny fifidianana, saingy tokony ho mailo hatrany ireo sefom-pokontany. Efa mandeha rahateo, hoy izy, ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao. Etsy an-daniny dia nanome toky ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa efa misy ny lamina napetraka ny amin'ny fiarovana ny fitaterana ny valim-pifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires