• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsimijaly Irina
Image
Vaovao

Fifidianana fihodinana voalohany : Ny 24 novambra ny vokatra vonjimaika

16/11/2023 11:02 © Moov.Mg

Ezahin'ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) havoaka amin'ny zoma 24 novambra izao ny voka-pifidianana vonjimaika, ho an'ity fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho filohan'ny Repoblika ity, araka ny nambaran'ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo androany.

Fanaraha-maso ny biraom-pifidianana

Nandeha nitsidika biraom-pifidianana maromaro teto Antananarivo renivohitra androany ny delegasiônan'ny CENI, notarihin'ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo. Isan'ny notetezin'izy ireo tamin'izany ny teny Alarobia, Nanisana, Andoharanofotsy ary Tanjombato. Nanotrona ny CENI tamin'izao fidinana ifotony izao ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpanaramaso ny fifidianana nahazo fankatoavana. Nojerena akaiky, nandritra izany, ny fomba fiasan'ireo mpikambana amin'ny biraom-pifidianana, nanaraha-maso raha manaraka ny fenitra sy ny fomba fiasa efa nanofanana azy ireo, ireo manana andraikitra rehetra momba ny zotram-pifidianana. Tanjona ny ahafahan'ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mandatsa-bato am-pilaminana sy an-kalalahana.

Ezahina tazonina ny tetiandrom-pifidianana

Nandritra izao fitetezana biraom-pifidianana izao no nilazan'i Dama Arsène Andrianarisedo fa ho ezahan’ny CENI ny hamoahana amin'ny 24 novambra izao ny voka-pifidianana vonjimaika. Anjaran'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana indray ny tohiny avy eo, hoy izy. Raha ny tetiandrom-pifidianana napetraka tany am-boalohany, fony mbola ny datin'ny 9 novambra no daty voatondro hanatanterahana ny fihodinana voalohany, dia eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 22 novambra no hikirakiran'ny CENI ny voka-pifidiananana ary ny 22 novambra no noheverina hamoahana ny vokatra vonjimaika. Hatreto ihany koa dia mbola voatazona ho ny 20 desambra no hanatanterahana ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena, raha toa ka misy izany.

Lire la suite

Articles Similaires