• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio
Image
Vaovao

16 novambra 2023 : Fifidianana filoham-pirenena manerana an'i Madagasikara

16/11/2023 07:29 © Moov.Mg

Mizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena hatreto. Tamin'ny 6 ora maraina teo no nisokatra ny biraom-pifidianana rehetra.

Tsy vitsy ireo olom-pirenena no nilahatra vao maraina tany amin'ny birao fandatsaham-bato na dia teo aza ireo sakantsakana maro. Tsy azo odiana tsy hita mantsy ireo fanentanana isan-karazany ny amin'ny tsy tokony andehanana mifidy androany 16 novambra. Anisan'ny hanamorana ny fahafahana mifidy ny fanekena ireo olom-pirenena handatsa-bato na dia tsy manana kara-pifidianana aza. Rehefa voasoratra ao anaty lisi-pifidianana mantsy dia afaka mifidy soa aman-tsara.

Biletà tokana

Biletà tokana no ampiasaina, izany hoe asiana marika na diam-panondro ny manandrify ny sarin'ny kandida tiana ho fidiana. Miditra ao anaty toerana voatokana ny mpifidy tsirairay mameno ilay taratasy. Marihana fa hita ao anatin'izany biletà tokana izany avokoa ireo kandida miisa 13 na misy aza ireo tsy niroso tamin'ny fampielezan-kevitra.

Tsara ho fantatra àry ireto teboka manaraka ireto :
-Mila mitondra kara-panondro sy kara-pifidianana (raha misy) ny olom-pirenena tsirairay ;
-Misy bileta tokana manokana ho an'ireo manana olana ara-pahitana (Jamba) ;
-Tsy azo atao ny miakanjo na mitondra fitaovana maneho ny fiandaniana amin'ny kandidà iray (Tee-shirt na saina kely ohatra) ;
-Amin'ny 5 ora hariva no mikatona ny biraom-pifidianana ;
Miisa 27.375 no isan'ny birao fandatsaham-bato manerana ny nosy. Aorian'ny fikatonan'ny biraom-pifidianana dia miroso amin'ny fanisam-bato avy hatrany. Azon'ny rehetra atrehina moa izany, na mpanara-maso, na olon-tsotra.

Lire la suite

Articles Similaires