• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Free News
Image
Vaovao

Fahanginana mialoha ny fifidianana : Inona no ilana azy ?

15/11/2023 09:58 © Moov.Mg

Rahampitso 16 novambra 2023 no hotanterahina ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena.

Tapitra hatreo ny fampielezan-kevitra, na ny ataon'ireo Kandida mivantana, na ny ataon'ireo mpomba azy. Araka izany, ao anatin'ny fahanginana mialohan'ny fifidianana isika. Tsy maintsy hajaina io fotoana io, izay voafaritry ny lalàna.

Fandatsaham-bato voadinika tsara

Andro iray mialohan'ny hisokafan'ny birao fandatsaham-bato toy ny androany, dia tsy azo atao intsony ny manao fampielezan-kevitra amin'ny endriny rehetra, na mivantana izany, na alefa amin'ny haino aman-jery ary koa ny tambajotran-tsersera. Efa nanana fotoana 30 andro, ary nihoatra aza, ireo Kandida nanaovana fampielezan-kevitra, nampahafantarany ny vinany, nandresena lahatra ny olom-pirenena rehetra mba hifidy azy. Ny androany dia hajaina ny fahanginana, na ny "silence électoral", ahafahan'ny mpifidy mihaino ny feon'ny fieritreretany, mba ho fandatsaham-bato voadinika tsara no hotontosainy rahampitso. Tsy azo atao intsony izany androany ny manentana ny olom-pirenena hifidy Kandida iray, ny mampiasa ireo mari-pamantarana Kandida, toy ny akanjo, ny elo... Ny mametaka afisy vaovao, ankoatra izay efa nipetaka nandritra ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra. Azo atao foana kosa ny mamporisika ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fandehanana mifidy.

Ho fisorohana fifandirana vaovao

Mihatra ho an'ny tambajotran-tsersera toy ny Facebook, Twitter sns ihany koa izany lalàna momba ny fahanginana mialoha ny fifidianana izany. Tsy ilaina akory ny mamafa ny ranty efa navoaka hatramin'ny omaly 15 novambra 2023 tamin'ny 12 alina, fa ny mamoaka ranty vaovao manentana ny hafa hifidy Kandida manokana no voarara. Ny hisorohana fifanoherana vaovao, izay mety hitarika fifandirana ao anaty fotoana tokony angalana saina mba handinihana, no tena tiana hosorohina, ka nametrahana ny fotoam-pahanginana mialoha ny fifidianana. Hisokatra amin'ny 6 ora maraina ny biraom-pifidianana rahampitso. Tsiahivina fa andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny datin'ny alakamisy 16 Novambra 2023 hanatanterahana ny fifidianana fihodinana voalohany.

Lire la suite

Articles Similaires