• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an'ny diabeta : Ilaina ny manao fitiliana, na tsy misy fambara aza

14/11/2023 14:41 © Moov.Mg

Ny 4 %-n'ny Malagasy no manana toe-tena diabetika, raha ny salan’isa avy any amin’ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS).

Mety mbola mihoatra lavitra an'izany anefa, satria maro ihany koa ireo tsy mahalala ny toe-tenany. Marihina androany, toy ny isaky ny 14 novambra, ny andro eran-tany ho an'ny diabeta.

Toe-batana azo alamina

Raha tsotsorina dia vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy maharitra ao anatin'ny ra no mahatonga ny diabeta. Lasa toe-batana izy io, izany hoe tsy azo sitranina, saingy azo atao sy tokony atao kosa ny mandamina azy, mba tsy hitarika fahasarotana, toy ny aretin’ny fo sy ny lalandra. Ireo aretina ireo rahateo no mitarika ny 60%-n’ny fahafate­san’ireo olona diabetika eto Madagasikara, araka ny antontan'isa. Misy karazany maro moa ny diabeta fa ny sokajy 1 sy sokajy 2 no tena mpahazo ny olona, amin'ny ankapobeny.

Mety hanimba ny taova hafa

Ho fanamarihana ity andro eran-tany iadiana amin'ny diabeta ity dia nikarakara fitiliana diabeta maimaim-poana ny AMADIA (Andia miady amin’ny diabeta), nandritra ny roa andro, omaly 13 sy androany 14 novambra 2023. Amin’ny alalan’ny fitiliana ra ihany moa no hahafantarana raha misy diabeta ny olona iray, na tsia. Rehefa mihoatra ny 40 taona ny olona, na dia tsy misy fambara aza, dia tsara ihany raha manao fitiliana, sao sanatria efa lasa lavitra vao hita fa misy diabeta. Ny olona manana toe-batana matavy ihany koa, na firy taona na firy taona, dia tokony manao fitiliana diabeta. Raha ambony loatra, mihoatra ny tokony ho izy mantsy ny tahan'ny siramamy, mandritra ny fotoana ela, dia mety hanentsina ny lalan-dra ary hanimba ny taova hafa, toy ny voa sy ny fo.

Lire la suite

Articles Similaires