• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanondranana hazo sarobidy : Hisy manam-pahaizana handrindra sy hanara-maso manokana

14/11/2023 09:39 © Moov.Mg

Maro amin’ireo harena voajanahary eto amintsika no voasokajy ao anatin’ny fifanarahana fifanarahana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena momba ireo karazana biby sy zava-maniry atahorana ho lany tamingana (CITES).

Tamin'iny herinandro lasa iny no nanatanterahana ny fivoriana faha-77-n'ny CITES tany Genève, Soisa. Nisy, nandritra izany, ny fanapahan-kevitra noraisina momba ny fiarovana ireo hazo sarobidy eto amintsika.

Mahazo vahana noho ny kolikoly

Raha vao miresaka hazo sarobidy dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ireo trafika isan-karazany, izay ambana ahiana hahalany tamingana ireo karazan-kazo arovana eto Madagasikara. Loza mitatao ho an’ny karazan-javamananaina eto Madagasikara mihitsy izany, izay vao mainka mahazo vahana vokatry ny kolikoly isan’ambaratongany. Raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International-Initiative Madagascar dia 104.000 taonina ny andramena sy ny mapinga nokapaina tany Menabe, teo anelanelan’ny taona 1998 sy 2014. Tsy ara-dalàna tanteraka ny roa ampahatelon'ireo fikapana hazo sarobidy ireo. 20 000 dolara no amarotana ny 1 taonina raha vao mivoaka ny sambo ny hazo, ary mbola mandalo mpanera maromaro any ivelany izany, mialohan'ny hanodinana azy ho fanaka.

Tsy ho azo kitihina

Nanapa-kevitra ary ny komity CITES, fa manomboka izao dia ankinina amina fivondronana manam-pahaizana manokana ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny fepetra rehetra momba ny fampiasana eto an-toerana sy ny fivarotana mankany ivelany an'ireo hazo sarobidy, toy ny mapinga (bois d'ébène), ny voamboana (palissandre) sy ny andramena (bois de rose). Izany no atao dia mba hiadiana amin'ny fitrandrahana sy fanondranana tsy ara-dalàna azy ireny. Araka izany, manomboka eto dia tsy maintsy mandalo fanadihadiana sy fanaraha-maso avy amin'ireo olona manokana tondroin'ny CITES, vao azo atao ny mikitika ireo hazo rehetra ireo. "Manome toky anay izany fanapahan-kevitry ny komity CITES izany fa ho kely kokoa ny mety hisian'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy ho any amin'ny varotra anatiny na iraisam-pirenena, na dia tsy mbola hitanay aza ny firafitry ny vondrona sy ny andraikiny ", hoy ny Dr Colmán Ó Críodáin, avy ao amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena miaro ny Tontolo Iainana (WWF). Nankasitrahany sahady ihany koa ny fahavononan’i Madagasikara hanaiky izao fanapahan-kevitra izao, mba ho tombontsoa ho an'ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires