• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Crépin Be
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena : Nafana ny adihevitra nokarakarain'ny CENI

13/11/2023 21:24 © Moov.Mg

Nafana tanteraka ny adihevitra izay notanterahin'ireo kandida miisa telo, dia i Andry Rajoelina, Daniela Sendrison sy Siteny Randrianasoloniaiko. Araka ny fantatra, tsy maintsy ho tanterahina ny 16 novambra ihany ny fifidianana fihodinana voalohany.

Politika

Inona no atao handaminana ny firenena raha lany, indrindra manoloana ny tsy fitovian-kevitra mitranga ?
-Andry Rajoelina : Tsy ekena intsony ny hanaratsiana endrika ny firenena Malagasy. Tsy maintsy atao izay hiverenan'ny fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka, hiverenan'ny fitoniana ihany koa, fa amin'ny fotoana maha-mety azy vao ho lazaina.
-Siteny Randrianasoloniaiko : Mbola tsy sahin'ny mpanao politika malagasy ny miara-midinika an-databatra boribory. Mila vahana dieny izao ny krizy politika. Tsy andrasana hipoaka ny ady tena mafana izay vao hitady vahaolana.
-Daniela Raderanirina : Politika ihany no hamahana ny olana politika. Voavaha nefa izany rehefa voavaha ny olana sosialy. Atrehina ny ady amin'ny fahantrana lalina dia milamina ho azy ny tany.

Fandriampahalemana

Inona no atao hiverenan'ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mahefa ?
-Daniela Sendrison : Tokony ampidirina amin'ny rafitra fitandroana ny filaminana ny andrimasom-pokonolona, ho an'ny any ambanivohitra. Mila mitady vahaolana mikasika ny tena anjara andraikitr'ireo mpitandro ny filaminana : fampandriana fahalemana sa fampiharana herisetra.
-Siteny Randrianasoloniaiko : Tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny Malagasy. Tsy maintsy manarina ny fidirambola izay simba tanteraka. Mikasika ny fitsarana indray, mila mametraka rafitra mazava ka tsy hisy mpanao politika na iray aza hanembatsembana ny asan'ny mpitsara. Tokony hahaleo tena ny fitsarana.
-Andry Rajoelina : Efa mihena ny asan-dahalo sy ny kidnapping. Ho tohizana ny fananganana "base opérationnelles" sy ny fampitaovana ilaina rehetra. Tsy manaiky hanaovana "intervention" amin'ny raharaham-pitsarana, sady ho tohizana ny fanamboarana fotodrafitrasa.

Décentralisation

Ahoana ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana ?
-Siteny Randrianasoloniaiko : Omena fahefana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny, sady omena vola hanatanterahan'izy ireo tetikasa. Tsy tokony any amin'ny "Présidence" no mibaiko ny tetikasa sy ny tetibola rehetra.
-Andry Rajoelina : Omena lanja ny faritra rehetra, amin'ny alalan'ireo Gouverneurs. Mifantoka sady manohy ny ezaka mba hanamora ny fiainan'ny mponina, na eo amin'ny asa, fianarana, fitsaboana, sns.
-Daniela Sendrison : Be loatra ny asa sahanin'ny fanjakana foibe ka betsaka ireo tsy vita tsara. Tsinjaraina amin'ny isam-paritra ny fitantanana.

Lire la suite

Articles Similaires